- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIsoraka : Lasibatry ny mpanendaka ireo mpiasa voatery hivoaka maraina

Isoraka : Lasibatry ny mpanendaka ireo mpiasa voatery hivoaka maraina

Satria efa tsy misy intsony ny fiara fitateram-bahoaka, dia voatery ireo mpiasa, izay tsy maintsy mandeha ao anatin’izao fihibohana izao no miainga maraina be any an-tranony. Amin’iny fotoana iny indray anefa no hanararaotan’ireo olon-dratsy manao ny asa ratsiny.

Teny amin’iny faritra Isoraka iny, dia olona roa no indray lasibatry ny andiana mpanendaka, tao anatin’ny minitra vitsy monja, ny alarobia lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny polisim-pirenena, dia lehilahy iray handeha hanainga hiasa vao maraina, tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any no tratra. Finday avo lenta  roa, mitenti-bidy any ho any amin’ny sivy tapitrisa ariary any ho any no lasan’ireo mpanendaka tamin’io fotoana io. Nihazakazaka nitsoaka nihazo lalan-kely midina aty Tsaralalàna iny ireo olon-dratsy ary tamin’izay fotoana izay indray no nahita raim-pianakaviana iray niomankomana ny hanainga ihany teo am-bavahadin’ny tranony. Nijanonan’ireo olon-dratsy ity lehilahy ity, ary voaambana antsy ihany koa. Lasa tamin’izay fotoana indray ny finday avo lenta mitenti-bidy any amin’ny valo hetsy ariary tany ho any. Niantso vonjy avy hatrany moa ity farany ka nifanenjehana ireo olon-dratsy hoy hatrany ny vaovao.

Tsy lasa lavitra  dia voasambotra ny iray tamin’ireo mpanendaka, teo akaikin’ny fasan-dRainiharo teo. Tafaporitsaka kosa ny namany. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny polisin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany ity farany. Teo no nahafantarana, fa efa mpanendaka rain-dahiny nampitondra faisana ireo mponina izay sendra teny amin’iny faritra ity olon-dratsy ity. Rehefa natao ny fanolorana azy teo ambany mason’ireo lasibatra, dia nanamafy avy hatrany ireto farany, fa tena io lehilahy io mihitsy no nanendaka azy sy nandratra azy ireo tamin’ny antsy. Mbola tratra teny amin’ity olon-dratsy ity ny finday avy nangalariny sy vola maromaro ary sabatra lavalela fentiny manao ny asa ratsiny. Anio moa no fantatra, fa hatolotra ny Fampanoavana ny lehilahy. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo namany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici