Saron’ny pôlisy misahana ny heloka bevava teny Isotry sy Ambohipo ny roalahy, voalaza fa raindahiny amin’ny resaka fangalàna an-keriny sy asan-jiolahy maherivaika teto an-drenivohitra. Ny iray fantatra amin’ny anarana hoe Kevin, sarona teny Isotry, tapa-bolana lasa izay ary efa naiditra am-ponja vonjimaika. Raha ny fantatra dia novainy io anarany io, satria dia karapanondro sandoka no nentin-dranamana. Jaona François no tena anarany, araka ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana hatrany. Izy dia efa gadra nitsoaka ny fonja ny taona 2009. Tetsy andanin’izay kosa, rehefa avy nifampitadiavana tany an-drenivohitr’i Betsimisaraka tany ny namany iray fantatra amin’ny petak’anarana hoe Mbitika dia voasambotra tetsy Ambohipo ny faran’ny volana lasa teo. Tamin’ny alalan’ny finday no nahafahan’ireto mpitandro filaminana ireto nisambotra ireto olon-dratsy, izay efa malaza ratsy amin’ny resaka fangalàna an-keriny teratany karàna, izay nifanesisesy tato ho ato. Mbola sarona teny amin’ireto jiolahy ireto rahateo ny porofo, nahafahana nilaza ny fifandraisan’izy ireo tendro tamin’izany asa ratsy izany. Tratra tao anatin’ny “bloc note”-n’ny iray mantsy ny soratra vitsivitsy mahakasika ireny karazana fangalàna an-keriny ireny. Torak’izay ihany koa ny fisavàna ny finday nampiasan’izy ireo. Fantatra tamin’izany fa isan’ireo nandray anjara tamin’ilay fakàna an-keriny teratany karàna, niseho ny 19 aprily lasa teo, izy ireo. Mbola tsy mijanona hatreo anefa ny haza lambo ataon’ireo pôlisy amin’ireto andian-jiolahy maherivaika, mpikotrika fakàna an-keriny eto an-drenivohitra ireto, izay nirongatra indray tato ho ato, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay vao nitranga tetsy Ivato. Mbola mitohy tanteraka izany. Raha ny fanazàvana azo dia misy jiolahy rain-dahiny fantatra amin’ny anarana hoe Princy, karohina fatratra amin’izao fotoana izao (jereo lahatsoratra etsy an-kila).
m.L