Tsy nisalasala mihitsy ireo olon-dratsy ny nampiasa ny basy teny an-tànany. Mba tsy nitifitra olona aloha fa nanao tifi-danitra kosa mba hampiparitaka izay mieritreritry ny hanaraka azy ireo. Teny Manarintsoa-Isotry, mpivarotra entana amin’ny ambongadiny no nataon’izy ireo lasibatra. Ary izany asaratsy izany dia amin’ny andro antoandrobe nanahary no nitranga. Tsy miova ny fanao. Nampitahorina tamin’ny basy ny mpivarotra sy izay olona tao anatin’ny toeram-pivarotana, dia avy eo noterena mba hanome ny vola rehetra izay misy. Mitentina efatra tapitrisa ariary no lasan’izy ireo nandritr’izany fanafihana tao anatin’ny minitra vitsy izany. Vao nivoaka izy ireo, dia nanenjika elakelan-trano izay toa efa fantatr’ireo tsianjery ary azo eritreretina fa mety ho efa vita lamina amin’ny fitsoahana. Na izany aza anefa, amin’ny toerana izay maha-be olona an’iny kartie iny, indrindra koa tamin’ny lera izay voatondro, dia nampiasa basy ny olon-dratsy mba hentina hampitahorana ny olona. Nahomby tokoa izany, satria samy nanavotra ny ainy ny rehetra raha vao naheno ny poleta izay nisesisesy ny fanapoahana azy. Tonga ihany ny mpitandro ny filaminaa rehefa nisy nampandre fa efa tsy hita intsony kosa izay nanjavonan’ny jiolahy.
D.R