- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Mpanendaka roa tratra am-bodiomby

Isotry : Mpanendaka roa tratra am-bodiomby

Tsapa ho mirongatra tanteraka tato ho ato ny resaka fanendahana sy sintomahery indrindra fa eny amin’ireo faritre mena eto an-drenivohitra, toy ny eny Isotry sy ny manodidina azy iny. Nisy araka izany ny fisafoana atoandro sy alina eny amin’ireo faritra ireo ataon’ireo polisy manao fanamiana sivily, hijokoana ireo mpanao ratsy. Roa tamin’izy ireo aloha no tratra am-bodiomby teny amin’iny faritra Andavamamba iny.

Tovolahy manodidina ny 18 taona eo avokoa izy ireo, araka ny fanazavàna azo eo anivon’ny polisim-pirenena ary efa tontakely rain-dahiny avokoa. Omaly tokony ho tamin’ny 10 ora atoandro teo ho eo, raha nikasa ny hanendaka mpiantsena iray teny an-toerana. Fomban-dry zalahy ireto matetika ilay manaraka hatrany izay hazany ary miandry toerana mangingina hanaovana ny asa ratsiny. Tsikaritr’ireo polisy nanao fisafoana izany fihetsika nampiahiahy izany ka mba narahana avy ato aoriana ihany koa ry zalahy. Raha iny izy ireo saika hanao ny asa ratsiny iny no nanatona ary nosamborina avy hatrany. Nentina natao famotorana eny anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahefatra moa ry zalahy ireto nony avy eo. « Eo anatrehan’ny firongatry ny asa fanendahana sy sinto mahery dia nandray fepetra ny polisin’ny Commissariat de Police Boriboritany faha-efatra hamongorana ireo mpanao asa ratsy. Nasiana ireo mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily ho fijokona ireto farany ka izao nahitam-bokatra izao, hoy hatrany ny fanazavàna azo ». Aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo eny anivon’ny polisy moa dia atolotra tsy ho ela ny Fampanoavana ireto tontakely ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici