- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIsotry : Tra-tehaky ny SAG « Radadatoa » sy ny ekipany

Isotry : Tra-tehaky ny SAG « Radadatoa » sy ny ekipany

Radadatoa sy ny ekipany, anisan’ireo mpanendaka raindahiny eny amin’iny faritra Isotry iny.

Tsy araka ny anarany akory fa saika mbola tsy ampy taona avokoa izy telo lahy ireto voasambotra ireto, eny fa na ilay lazaina fa « Radadatoa » aza ! Mpanendaka raindahiny eny amin’iny faritra Zaoridira Isotry iny, izay voasambotry ny pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika ny alarobia lasa teo ary noraisin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava an-tanana amin’ny famotorana.

Ny tolakandron’ny alarobia lasa teo dia ramatoa iray no lasibatry ny mpanendaka mitam-piadiana tamin’io faritra voalaza etsy ambony io. Araka ny taratasy fitoriany napetrany teny anivon’ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy dia lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany vola be mitetina eo amin’ny roa tapitrisa ariary teo ho eo, niaraka tamin’ny firavaka sarobidy sy antontan-taratasy maro isan-karazany. Nandritra ny asa ratsy nataon’ireo mpanendaka telolahy anefa, izay saika mbola zazazaza endrika avokoa, izay hoe manodidina ny 17 taona sy ny 15 taona eo, dia nisy nahatsikaritra izany ary nandray andraikitra avy hatrany ny fokonolona. Raikitra ny fanenjehana ary voatazon’ireo mpisambotra ny iray tamin’ireo jiolahy, izay fantatra amin’ny anarana hoe « Radadatoa ». Ity farany dia efa tsy zoviana amin’ireo mponina eny an-toerana ny amin’ny asa ratsy ataony miaraka amin’ireo namany ary efa maro no lasibatra tamin’izany, raha ny angom-baovao azo. Rehefa nampandrenesina ireo mpitandro filaminana dia tsy ela dia tonga teny an-toerana ny SAG. Satria moa ry zalahy ireto efa saika fantampatatr’ireo fokonolona, eny fa na hatramin’ny toeram-ponenany aza dia tsy nisalasala ireo mponina nanoro ireo pôlisy izany. Nidinana avy hatrany teny an-toerana ny roalahy naman-dRadadatoa ary noraisim-potsiny. Natolotra ny tompon’andraikitry misahana ny fanadihadiana sy nandray ny fitoriana moa ry zalahy ireto ary omaly no nentina niakatra teny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici