Ny alahady tokony ho tamin’ny misasak’alina, nisy fandrobana niseho teny Ambanilalana Itaosy. Ny vaovao no nahafantarana fa bandy enina nitondra basy no nangalatra tao amin’ny fivarotana roa. Avy hatrany dia nanapoiran’ ireo jiolahy ny fefy hazo tao amina mpivarotra saribao iray. Namantana tao amin’ilay trano hazo izay nisy mpanampy roa vavy natory izy ireo. Voaambana basy izy ireo ary noterena hamoaka ny vola. Tsy nisy afa-tsy arivo ariary anefa tao. Tsy niditra ny trano avokoa ireo mpangalatra fa ny sasany niandry tany ivelany. Rehefa tsy nahazo na inona na inona izy ireo, dia nifindra tao amina fivarotana enta-madinika tsy lavitra. Avy hatrany dia naorin’ireo jiolahy ny entana toy ny vary sy ny menaka ary sigara ka ny vatomamy sisa navelany. Vao voafatratra moa ireto entana dia nitsoaka haingana izy ireo ary namoaka vava ny mbola handroba fivarotana hafa. Tsy nisy naheno izao zavatra izao ny teo amin’ny manodidina, fa ny maraina vao samy gaga nahafantatra ny zavatra niseho.
Alem