- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversItaosy : Fanafihana grossiste, jiolahy iray maty voatifitra

Itaosy : Fanafihana grossiste, jiolahy iray maty voatifitra

Ny talata hariva teo, tany ho any amin’ny enina ora sy sasany no nisehoan’ny tantara . Jiolahy efa-dahy nirongo basy kalach no niditra avy hatrany tao amin’ilay mpivarotra ka nanambana basy  ny tao am-pivarotana. Tsy nanaiky moa ny iray ka namely ireto jiolahy ary nidaroka azy tamin’ny hazo. Naratra mafy vokatr’izany ity farany, ny mpitandrofilaminana ihany koa moa tonga tamin’ny fotoana ara-dalana ka raikitra ny fifanenjehana.

Vao azon’ireto mpandroba ny vola dia lasa nirifatra nandositra izy ireo. Reraky ny ratra nahazo azy moa ity iray ka tsy afaka nandositra intsony, nipoapoaka ny feom-basy ka voatifitra teo amin’ny feny ilay jiolahy naratra.

Nianjera tamin’ny tany ilay voatifitra tamin’ny feny ka niandry fotsiny izay nisamborana azy,tao anaty haizina moa izany rehetra izany ka tsy fantatra marina hoe tao aorian’ny tifi-danitra nataon’ireto mpangalatra ve no niezaka nitifitra ireto mpanenjika ka niantefa tany amin’ny namany sa niniana natao mba tsy hanambara ireto namany rehefa voasambotra any.

Vao voasambotra moa ilay naratra dia nentina haingana tany amin’ny hopitaly HJRA tetsy Anosy. Tsy tana anefa ny ainy noho ny rà be loatra very taminy;

Ireo ambiny kosa tafatsofoka elakelan-trano ka tsy hita intsony, ny andro rahateo koa maizinavokatry ny déléstage.

Efa nisy trange nitovitovy amin’izao moa efa-bolana lasa izay hanararaotan’ireo ,mpandroba ny andro maizina teny amin’ny faritra Itaosy iny ka tokony mba ho mailo ireo mpivarotra raha vao maizina na dia mbola be aza ny mpandalo, ny olona rahateo tsy sahy miditra raha vao maheno poa-basy.

Alem

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici