- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversItaosy : Jiolahy roa avy nanendaka, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Itaosy : Jiolahy roa avy nanendaka, niharan’ny fitsaram-bahoaka

Nahay niray hina ny olona, niezaka nisambotra ireto olon-dratsy. Ny roa no voasambotr’izy ireo fa ny iray tafatsoaka. Efa nianjeran’ny hatezeram-bahoaka izy ireo no tonga ny mpitandro filaminana. Tranga niseho teny Itaosy ny alin’ny zoma lasa teo.

Mpivady iray no lasibatra teny amin’iny faritra iny, tokony ho tamin’ny fito ora hariva latsaka kely teo. Ankoatry ny vola aman’hetsiny maromaro lasan’ireto olon-dratsy miisa telo, dia mbola noratrain’ireo tsy valahara ihany koa izy ireo. Raha ny voalaza mantsy dia niezaka nanohitra azy ilay lehilahy ary tsy nisalasala ireo tontakely nanindrona antsy azy sy ilay vady andefimandriny. Naratra mafy vokatr’izany ilay rangahy. Torak’izany ihany koa ilay ramatoa. Nisy nahita ny zava-niseho ary raha iny teo am-pikasàna ny hitsoaka iny ireto mpanendaka no niezaka nanakana ny dian’izy ireo sy nisambotra azy ny fokonolona, izay nahay niray hina tamin’ireo niharam-boina. Tsy lasa lavitra dia tratran’ny fokonolona ireo roalahy ary niharan’ny daroka sy ny vono. Tafaporitsaka tao anaty sakoroka kosa ilay namany. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana teny an-toerana nanesotra ireto farany teo ambany hatezeran’ireo mponina ary nitondra azy ireo tany amin’ny birao. Na izany aza anefa, saika tsy nanaiky ny fokonolona, efa leo tanteraka ny resaka tsy fandriampahalemana teny an-toerana fa nitaky hatrany ny hamoahana ireto olon-dratsy hanaovan’izy ireo fitsaram-bahoaka. Nilefitra ihany moa ireto farany rehefa nisy ny fandaminana nataon’ireo tompon’andraikitra. Ireo voendaka kosa, efa talohan’izay no nezahina haingana nentina tobim-pahasalamana. Efa mandeha ny fikarohana ilay iraikalahy tafatsoaka, ary efa mandeha ny famotorana azy ireo.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici