- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Jiolahy telo mpangalatra môtô , saron’ny pôlisy

Itaosy : Jiolahy telo mpangalatra môtô , saron’ny pôlisy

Mamaivay tato ho ato izay, ny halatra môtô teny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny. Manoloana izany indrindra, dia telolahy rain-dahiny amin’ny halatra môtô no saron’ny pôlisin’ny kaomisaria Itaosy, teny Amberivatsy Bemasoandro, ny alarobia lasa teo. Môtô mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary teo ho eo ity nangalarin’izy ireo ity. Ary ny mahavariana dia na nipetraka tao an-trano aza ity kodiaran-droa nalain’izy ireo ity, dia mbola vitan’izy ireo hatrany ny nangalatra izany tamin’ny alàlan’ny famakiana ilay trano. Ny alin’ny 23 martsa teo no nisehoan’izay. Taorian’io tranga io dia nametraka fitarainana ireo niharan’ny vaky trano ary nanomboka teo ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nentin’ny vitan-dratsy anefa ireo jiolahy ka tany amin’ireo tompony ihany no nisy nitondra ny sarin’ilay môtô very, izay voalaza fa hamidy mora. Noraisim-potsiny tamin’izany ity tovolahy mpanera ity. Io indray avy eo no nanoro ny namany hafa, izay nolazainy fa nitazona ilay môtô sy ny taratasiny. Ary dia izao niara-nosamborina teny Amberivatsy izao avokoa izy telolahy. Araka ny fanazavàna azo avy tamin’ireo mpanao fanadihadiana dia fantatra fa efa isan’ny kalaza lahy amin’ny resaka halatra môtô izy ireto ary mamono ny tompony mihitsy mba hangalarana ilay kodiaran-droa. “Eny amin’ iny faritra  Cite Itaosy sy ny manodidina, no toerana tena fanaovan’izy ireo ny asa ratsy, miandry ireo mpanala azy ka izay tratra farany no tena lasibatra” hoy hatrany ny fanazavana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici