- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Jiolahy telo tratra am-bodiomby

Itaosy : Jiolahy telo tratra am-bodiomby

Efa tsy mifaditrovana intsony ireo olon-dratsy ary tsy menatra mihitsy ny mamono mahafaty izay olona lasibatra. Jiolahy telo fanta-daza tamin’ny  famakiana trano, no voasambotry ny pôlisy eny amin’ny kaomisaria Itaosy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Fantatra ihany koa fa tsy menatra ny manindrona sabatra na antsy izay olona mifanena amin’izy ireo ka sendra mahatsikaritra ny asa ratsy ataony ireto olon-dratsy ireto. Nandritra ny fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana no nahafahana nisambotra ireto jiolahy ireto, izay tratra am-bodiomby nilanja gony maromaro. Lehilahy maromaro no nampiahiahy ireto pôlisy. Vao mainka anefa nampitombo izany ahiahy izany ny fitsoahan’izy ireo raha nasaina nijanona hosavaina. Raikitra teo ny fanenjehana ka voasambotra ny iray. Nahitana fitaovana eletronika maromaro vao avy nangalarina ary fitaovam-piadiana. Ity voasambotra ity no nanoro ireo namany roa hafa izay samy voasambotra teny Andavamamba. Marihana fa mbola misy naman’izy ireo hafa mbola karohina amin’izao. Araka ny fampitam-baovao azo mantsy, dia nilaza ireto olon-dratsy ireto, fa eo amin’ny fito lahy eo izy ireo miaraka manao ny asa ratsiny. Anio no fantatra fa hanolorana eny anivon’ny fampanoavana ireto olon-dratsy ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici