Tsy mifidy endrika na taona na mahalahy na mahavavy intsony amin’izao, ny fanavaona asa ratsy. Ny herinandro lasa teo, dia mpirahavavy ; izay mbola tsy ampy taona akory no tratra am-bodiomby teo am-pamakiana trano, teny Antsavatsava Itaosy. Raha ny fanazavana azo amin’ny pôlisy dia mety efa ho za-draharaha tamin’ity famakiana trano ity izy ireo, satria dia nahitana karazana fanalahidy maromaro teny amin’ireto tovovavy ireto. Mbola teo am-panangonana ireo entana sasantsany tao an-trano ny iray ary efa nahatafavoaka ny sasany teny an-tokotany kosa ny iray no tra-tehaky ny tompon-trano. Notazonina avy hatrany izy ireo ary naterina tany amin’ny biraon’ny pôlisy nony avy teo. Tany no nahafantarana, fa mpirahavavy ireto mpamaky trano ireto ary ambonin’izay dia mbola tsy ampy taona. 13 taona ilay zandriny ary 15 taona koa ilay zokiny, izay samy monina eny Anosibe. Natolotra ny Fampanoavana teny Anosy izy ireo ary nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ao amin’ny fonja natokana ho an’ny vehivavy. Izany tokoa ny hoe tsy misoratra eny amin’ny endrika ny maha-olon-dratsy ny olona, ka mila mailo hatrany ny tsirairay manoloana ity tsy fandriampahalemana mihamahazo vahana ity. Etsy andanin’izay, dia mbola manentana ny rehetra ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fanomezam-baovao azy ireo.
m.L