- Publicité SW45 -
lundi, mai 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpamaky trano dimy nandroba 20 tapitrisa voasambotra

Itaosy : Mpamaky trano dimy nandroba 20 tapitrisa voasambotra

Mpamaky trano miisa dimy, vehivavy ny iray, no voasambotry ny zandary avy eny Itaosy tao anatin’ny andro vitsivitsy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nisy fanafihan-jiolahy nitam-piadina teny Itaosy tamin’ny faha-22 septambra teo. Tamin’io fotoana io dia nahatratra hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary ny vola lasan’ireo mpangalatra. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray no niantefan’ny ahiahy tamin’izany. Tonga dia nosamborina izy io ary nofotorana. Fantatra fa anisan’ny nandray anjara tamin’ity fanafihana ity izy. Mba hanjonoana ireo namany dia ny telefonina an’io voasambotra io no nampiasaina namitahana ireo namany hafa. Nahomby tokoa ny tetika ka nisy ny voasambotra avy eo. Tamin’ny fisavana ny tranon’ny iray tamin’izy ireo no nahitana basy iray nisy bala telo. Ilay tratra voalohany dia niaiky fa anarana jiolahy namany avokoa no ao anatin’ny findainy. Nilaza koa ireo voasambotra fa efa manomana fanafihana hafa indray ry zalahy atsy ho atsy. Rava izany aloha ny tambajotrana mpanafika sy mpandroba eny amin’ny faritr’Itaosy amin’izao fotoana izao.

Ny alarobia teo no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana ireo rehetra voasmabotra ireo ary efa nalefa vonjimiaka any am-ponja.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici