Tsy misy tandroka tokoa ny ratsy. Vehivavy iray no voaendaky ny mpamily taxi raha handeha hody teny amin’iny faritra Itaosy iny, ny alin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Tsy vitan’ny hoe lasa avokoa ireo entana sarobidy tany aminy, toy ny fakan-tsary, ny finday ary ny vola maromaro tany aminy, fa mbola toa nomena poizina sy zava-mahadomelina mampalemilemy ihany ilay vehivavy nony avy eo. Raha ny fantatra anefa dia tsy niharan’ny herisetra ara-nofo akory izy. Araka ny fitantarany dia tsy mamo velively izy niditra tao amin’ilay taxi nosakanany, hitondra azy ho any amin’ny toeram-ponenany, niala avy eny Antaninarenina. Nony nandeha kelikely anefa izy dia nalemy tanteraka ary tsy nisy zavatra tsaroany intsony. Tonga tany an-tranony ihany izy ary nobataina tanteraka niala tao amin’ilay fiarakaretsaka. Rehefa nahatsiaro tena ny vehivavy, nisava ny pôketrany dia tsy tao intsony ireo fitaovana sarobidy tany aminy niaraka tamin’ny vola. Tsy vao izao no fantatra fa misy tranga toa izao. Rehefa tsy jiolahy no manakana ilay fiarakaretsaka, izay tsy fantatra amin’io na firaisana tsikombakomba, dia ny mpamily sasantsany mihitsy no mivadika ho jiolahy, mandroba ilay mpandeha entiny. Amin’izao tany tsy milamina izao tokoa dia tsy misy intsony ny azo itokisana eny an-dalana, indrindra fa hoe mandeha irery ka tratra alina. Ny fitondrana pôketra na sakaosy ihany koa etsy andanin’izay dia manintona izay tsy izy ny mason-dry zalahy tontakely, ka aleo mailo hatrany.
m.L