Ny alatsinainy lasa teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana, rehefa avy nomena ny fitsaboana sahaza azy ilay mpanendaka voasambotry ny fokonolona teny Itaosy, ny herinandro lasa teo ary naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka. Araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana moa, dia nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy ranamana. Marihana mantsy fa tra-tehaky ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy sy ny namany iray izay afa-nitsoaka. Ramatoa mpivarotra teny an-toerana no lasibatry ny fanendahana. Ary tsy vitan’izay fa mbola notrobaran’ireo tontakely ny antsy ny kibony. Raha araka ny angom-baovao, dia efa voavonjy ity ramatoa ity ary efa mizotra tsikelikely ho any amin’ny fahasalamana. Saingy izay toe-javatra izay no nampitroatra ireo fokonolona. Nifatratra teny amin’ity iray voasambotra ity avokoa ny hatezeran’ireo fokonolona ka ny ainy sisa tsy afaka. Soa ihany fa nisy noterem-panahy hampitsahatra ny daroka ka nitondra azy tany amin’ny mpitandro filaminana.
m.L