- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Razana efa lo, hita tao anaty anaty tatatra

Itaosy : Razana efa lo, hita tao anaty anaty tatatra

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona eo ho eo no hita faty tao anaty tatatra teny amin’iny faritra Itaosy iny, ny faran’ny herinandro teo. Efa simba tanteraka ny razana ary tombanana ho efa herinandro mahery any ho any no efa nahafatesany, raha ny fitsirahana nataon’ireo mpitsabo. Olona sendra nandalo teny amin’izany faritra izany no nahatsikaritra an’ilay zavatra hafahafa, nitsingevana tao anatin’ilay rano. Miendrika tanan’olona mifangaro amin’ireo fako tao anatin’izany tatatra izany. Rehefa nodinihana akaiky tokoa vao tena fantatra fa tena tanana’olona tokoa izy io ary nampanantsoina avy hatrany ireo tompon’andraikitra. Nidina teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo nisarika ilay razana niala tao. Tamin’io no nahitàna fa efa tena lo tanteraka ny vatan’ity lehilahy ity. Noho ireo hoditra efa miendaka ihany koa dia sarotra ny namantatra azy. Teny aminy rahateo tsy nisy taratasy nahafahana  nanao izany. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Nisy namono sa maty an-drano ary navalany ho tonga eo amin’io toerana. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika izay. Fa torak’izay ihany koa no nitranga tany Ambohijanamasoandro, ao amin’ny kaominina Morarano, miala kely ny tananan’Imerintsiatosika. Fatin-dehilahy iray no hitan’ny olona natsingevan’ny rano tao anaty dobo. Efa mpiandry omby matetika akaik’izany dobo izany ity lehilahy ity, saingy talohan’io fotoana io no hitan’ny olona farany teo. Nidina avy hatrany teny amin’iny toerana nisehoan’ny loza ireo zandary, nanao ny fizahana ifotony. Ny zavatra mahatalanjona dia efa niboridana tanteraka ny vatany, saingy kosa tsy nahitàna ratra. Maty an-drano ihany koa sa nisy namono ? Efa mandray an-tanana ny raharaha ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Imerintsiatosika.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici