- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilSportsItaosy : Sinoa karohin’ny zandary

Itaosy : Sinoa karohin’ny zandary

Zhang Xiao Rong ny anarany. « Efa amam-bolana maro no notadiavinay fa tsy hita mihitsy izay nisy azy. Izay no antony nangatahana famoahana filazàna fikarohana (avis de recherche) izay neken’ny fitsaràna” raha araka ny fanazavan’ny zandary izay misahana ny raharaha mahakasika ity teratany sinoa ity. Nanomboka ny 13 janoary teo no nivoaka ny filazàna fikarohana azy izay natao peta-drindrina eraky ny biraon’ny mpitandro ny filaminana manerana ny Nosy. Mahakasika fisolokiana avo lenta no antony hisamborana azy raha araka ny fanazavan’ny zandary hatrany. “Sinoa ihany koa no  mitory azy. Milaza ho mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny varotra io sinoa izay karohina io”, raha araka ny fanampim-baovao avy amin’ny mpanao fanadihadiana. Fisolokiana, fitsipaham-pitokisana ary fandrahonana ho faty izay natao am-bava no vesatra hanenjehan’ny mpitory azy. Hatreto dia tsy hita izay tany nanjavonany na dia efa ho herinandro aza izay no naparitaka eraky ny Nosy ny taratasy fikarohana azy. Ny mahavariana indraindray dia lasa sahisahy ny sinoa sasany rehefa ivelan’ny fireneny. Any aminy dia tsy dia fahita firy ny fisolokiana, indrindra ny fandrahonana ho faty izany. Mafy ny lalàna any ary tena tia manara-dalàna izy ireo any aminy.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici