- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Telo mianadahy mpamaky trano voasambotra

Itaosy : Telo mianadahy mpamaky trano voasambotra

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Itaosy ny olona telo, vavy iray sy lahy roa, voalaza fa namaky trano teny Ambaniala Itaosy. Ny alatsinainy lasa teo izy ireo no tratra teny an-toerana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tamin’ny faha-2 jona, nisy olona teny amin’ny manodidina nahita azy ireo niditra ny trano ary nisy vehivavy nivoaka nitondra « lecteur ». Tsy tao ny tompony tamin’io fotoana fa lasa niantsena. Akory anefa ny hagagany rehefa niverina fa nitohana biriky ny varavarana. Rehefa niditra izy dia nahatsapa fa nisy namaky ny tranony ary nisy ny entana very. Nametraka fitoriana tany amin’ny polisy ireo niharan’ny fandrobana. Natao ny fanadihadiana isan-karazany ka avy amin’izany no nahafantarana an’ireo mpangalatra. Misy an’izay Pa, Piso ary Tsilavina. Rehefa nohadihadiana izy ireo dia nilaza tamin’ny antsipirihany ny zavatra nataony tamin’io andro io. Ilay antsoina hoe Piso no niditra tao an-trano fa ny sasany kosa niandry tety ivelany sady nijerijery olona. Raha vao nahazo izay zakany ireto mpangalatra ireto dia lasa niala ny toerana. Omaly alarobia no natolotra ny Fampanohavana izy telo ireo.

Faritra maro ety amin’ny renivohitra sy ny manodidina no misy asan-jiolahy tsy mijanona fa isan’andro. Eo ny fanendahana amin’ny lalana mangina na dia mazava aza. Eo ny fanendahana amin’ny toerana maizina raha vao mihilana ny andro. Tsy lazaina intsony ny harom-paosy anaty fiara fitanterana. Tsy tahotra tsy henatra, hoy ny fitenenana fa sahy ry zalahy. Na dia efa manao ny aina tsy ho zavatra aza ny mpitandro filaminana miasa hamongorana izany rehetra izany, toa tsy mety foana ny asaratsin’ireo jiolahy isan-karazany. Misy ny maty voatifitra, misy ny tratra ary hampidirina am-ponja Dia misy ihany koa ny andiana jiolahy miforona tsy miandry ela.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici