- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Trano fivarotan-kazo kila forehitra

Itaosy : Trano fivarotan-kazo kila forehitra

trano-mayFipoahana indroa miantaona no henon’ny olona ny alin’ny alatsinainy teo. Efa tao anaty torimaso ny rehetra hany ka tsy dia niraika firy tamin’ilay zava-niseho. Saingy taitra tampoka rehefa avy eo rehefa nahita ny lel’afo nijoalajoala izay nanomboka tamin’ny misasakalina ka tsy nijanona intsony raha tsy adim-pamataranandro telo taty aoriana. Samy nanao izay ho afany teo ny mpiara-monina tetsy Betavoahangy Itaosy mba hanoherana ny afo. Feno hazo ilay toerana noho izy fivarotana an’izany. Mainka koa nanamora ny fiparitaky ny afo izany toe-javatra izany. Tao amin’ny tranon’ny mpiambina roa lahy no niainga ny afo rehefa nisy ny fipoahana izay matetika rehefa toa izany dia inoana ho misy hifandraisany amin’ny fifampikasihan’ny herinaratra ka nitarika firehetana. Kila na ny hazo rehetra tao na koa ny masinina fanodinana an’izany. Mba tsy nisy kosa ny aina nafoy na dia nahery vaika aza ny firehetana. Raha ny fitantaran’ny olona dia adiny telo taty aoriana vao tena maty ny afo rehefa tonga ny mpamonjy voina. Nisy feo hafa indray izay nanazava ny zavatra hitany ary nilaza fa tsy nisy rano ireo rehefa tonga teo an-toerana. Voatery mbola nameno ny kamiao izany ary izay vao tena nanomboka ny ady tamin’ny afo. Samy nanana ny filazany teo ny olona saingy raha ny tena zava-nisy dia saika loza tanteraka no niseho tetsy Betavoahangy iny alin’ny alatsinainy iny raha mbola niitatra ilay afo nandoro ny masinin-kazo. Mbola feno trano fonenana koa mantsy teo amin’ny manodidina izay tsy dia mifanalavitra ilay toerana.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici