Rehefa ela nanendahana ny jiolahy iray antsoina hoe Vorogidy, dia tratra ihany, ny 04 jona lasa teo. Ny polisy avy ao amin’ny boriborintany eny Itaosy no nahasambotra azy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva izy no traingo nanendaka vehivavy iray. Raha ny marina kokoa, roalahy izy ireo no nanao ny asa fanendahana, nitondra basy vita gasy. Teny amin’ny sampanana ho any Vinany Itaosy no nisy ny fanendahana. Lasan’ireo bandy ny kitapo iray nisy ordinatera fitondra sy telefonina ary karapanondro ary vola 6 000 ariary. Toy ny efa fantatra amin’ny fanendahana sahala izao, voaambana basy teo amin’ny lohany ilay olona. Avy hatrany dia voasintona ny kitapo teny aminy. Vao nahazo izany ry zalahy dia nirifatra nandositra. Nisy nahita izany rehetra izany ka raikitra ny antso « mpanendaka ». Nifanenjehana ireo jiolahy ka tamin’izay fotoana izay no tratra ny iray niaraka tamin’ny basy PA vita gasy sy bala efatra. Ilay namany kosa tafatsoaka niaraka tamin’ilay entana. Rehefa nahafantatra ny zava-nisy ny mponina teny amin’ny manodidina,dia tonga marobe. Samy nidaroka nanala ny fony teo avokoa ny rehetra. Tonga ny polisy vao nijanona izany daroka izany. Tamin’ny famotorana natao azy no nahalalana fa, toa hoe tany amin’ny Faritra Androy no nividianan’ilay bandy ny basy. Nanampy izy fa telolahy ry zareo no mpiaraka rehefa manendaka sahala amin’izao.
r.s.