- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversItaosy : Vehivavy maty nodomin’ny fiara nentin’ny mpilalao sarimihetsika

Itaosy : Vehivavy maty nodomin’ny fiara nentin’ny mpilalao sarimihetsika

Nandriaka ny rà. Vehivavy iray manodidina ny 26 taona no namoy ny ainy, ary lehilahy iray niaraka taminy no naratra mafy, ary ao anatin’ny fitsaboana amin’izao. Izay no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tetsy Itaosy, tsy lavitra ny tobin’ny zandary, ny alin’ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny iray ambin’ny folo alina tany ho any. Raha ny fanazavana azo dia fiara marika « Mercedes », izay voalaza fa nentin’ny mpilalao horonantsary malagasy iray no nifaoka kodiarandroa, izay nitondra ireto olona roa roa ireto.

Raha ny voalaza dia handeha ho any 67ha any ilay fiara izao namoa-doza izao, raha hiverina ho any Itaosy kosa ilay môtô. Tamin’io fotoana dia niezaka nisongona fiara teo alohany ilay Mercedes. Teo am-pandehanana mafy ihany iny, mazava ho azy, ny andro efa alina, izy rahateo handeha hisongona, no nifanehatra tamin’ilay môtô nandeha tamin’ny lalany teo ankavia. Mafy dia mafy ny fifandonana, hoy ireo nanatri-maso. Potika ny môtô, simba be ny lohan’ny fiara. Nipitika lavitra vokatry ny dona ilay mpitondra ilay kodiaran-droa. Ilay vehivavy nentiny kosa nisavoana ary niakarapoka teny amin’ny parebrise-n’ilay fiara niafara tamin’ny fikarapohana tamin’ny arabe nony avy eo. Voalaza fa tsy nijanona teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ilay fiara fa mbola nanohy ny diany hatrany ary voasakan’ireo mpitandro filaminana tao aloha tao.  Ireo naratra kosa noezahina nentina toeram-pitsaboana avy hatrany saingy tsy tana intsony ny ain’ilay vehivavy, nony tonga tany, noho ny ratra nahazo azy.

Efa voatana eny amin’ny tobin’ny zandary moa ny fiara ary hanaovana fanadihadiana ilay nitondra azy. Marihina, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny zandary teny an-toerana, fa fanintelony tamin’ny lozam-pifamoivoizana nisy teny an-toerana tamin’io alina io, io nahafaty olona io. Mbola teo am-panaovana « constat » loza hafa teo Anosimasina teo mantsy ireo zandary no nandalo ilay fiara « potika loha » ka nosakanana avy hatrany.

Voalazan’ny tompon’andraikitry ny mpitandro filaminana teny an-toerana fa mazàna dia ahenoana lozam-pifamoivoizana eny an-toerana eny, raha vao manomboka fotsiny ny faran’ny herinandro. Ny antony dia noho ireo mpamily efa mamo avy nirevirevy teny 67ha teny, ka handeha hody eny Itaosy. Azo heverina izao fa mety an-dalana handeha hamonjy iny faritra iny ity fiara, namoa-doza ity, raha ny filazàny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

  1. Mirary fihononana feno ho an n’ny manan manjo aloha aho satria mafy dia mafy tokoa izany nilaozan ny havana tiana izany , sady tampoka tsy nialan neninina akory. Ianareo tompona fiara, tsy haleo ve mandeha taxi na maka mpamily rehefa hisotro toaka fa manjary sahirana ianareo satria tsy maintsy hanokafana fanadihadiana, ny fiara potika…ny olona maratra kanefa raha nody taxi dia napetraka tany amin parking ny fiara dia 30.000 ar no fotsiny no lany Maraina be halaina any ny fiara dia vita.

    • Commenter :fa maninona nefa raha any antrano no mirevy d ts miteradoza sy mamono oul e?Zao sad higadra no handry ve ny saina we misy kamboty tsy fidiny any noho ny hadalana kely ts voafehy?Tsis toaka mitondra filaminana fa korontana foana no entiny,tokony mba andraisan fanjakana andraikitra mints ity resaka fimamoana isaky ny vendredizina ity?Hay mo ?Ny toaka gasy ary kay moa ho ekena kay

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici