- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Voatifitra ny lehiben’ny zandary

Itaosy : Voatifitra ny lehiben’ny zandary

Mahamay ny tanàna ! Zandary mitam-basy avy no sahin’ny jiolahy tifirina. Omaly maraina tokony ho amin’ny iray ora sy 20 minitra no raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta tetsy Antampon’Itaosy, tsy mifanalavitra ny sekoly Masindahy Misely. Zandary nanao fisafoana teny an-toerana no nahatsikaritra dimy lahy izay mibaby kitapo. Nasaina nijanona izy ireo mba hahafahana manao fanamarinana. Ompa variraraka sy tifitra basy avy hatrany no valin’izany. Raikitra ny fifanjevoana tao anatin’ny haizina ary nirefodrefotra ny basy. Tao anatin’izany no lavo ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Lehilahy 28 taona izay nanao akanjo bà mainty sy pataloha mainty ary kiraro fotsy ilay namoy ny ainy. Hita teny aminy ny basy vita gasy iray miaraka amin’ny bala. Naterina teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra izy io rehefa vita ny fampahafantarana ny manam-pahefana isan’ambaratongany. Nitohy ny fikarohana ireo namany efatra izay tsy mbola hita aloha hatreto. Tao anatin’ny fifanjevoana hatrany no nahavoatifitra ny lehiben’ny zandary izay miadidy iny faritra iny. Teo ambony lohaliny no nandalovan’ny bala saingy efa elaela taty aoriana vao tsikaritra izany, rehefa nivoaka ny rà. Omaly ihany dia nentina teny amin’ny hopitaly miaramila etsy Soavinandriana izy mba hanaraka fitsaboana ary tonga teny an-toerana ny zandary maro namangy azy. Mandeha ny savahao ankehitriny mba ho fikarohana ireo olon-dratsy nifofo ny ain’ny zandary ireo. Ny borigady etsy Itaosy no misahana ny fanadihadiana izay miompana indrindra aloha amin’ny fanangonam-baovao momba ireo olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici