- Publicité SW45 -
jeudi, avril 18, 2024
AccueilFaits-DiversMananara Avaratra : Lehilahy nahatratrarana entana halatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mananara Avaratra : Lehilahy nahatratrarana entana halatra niharan’ny fitsaram-bahoaka

Manoloana ny firongatry ny resaka tsy fandriampahalemana dia tsy misalasala intsony ireo fokonolona manampatra ny hatezerany amin’ireo izay tratra na voalaza fa olon-dratsy. Toy ity tranga niseho tao Analanjahana, fokontany Androkaroka tany amin’iny distrikan’i Mananara Avatra iny. Lehilahy 32 mantsy no niharan’ny hatezeram-bahoaka tao an-toerana, rehefa nahitàn’ny fokonolona entana avy nangalarina teny aminy. Zava-niseho ny talata lasa teo, tany an-toerana. Araka ny fampitam-baovao voaray, raha tsy tonga haingana ireo pôlisy avy ao amin’ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka tao Analanjirofo dia mety efa ho ny an’ity olona ity no nanefa. Tamin’io fotoana io mantsy dia nisy halatra niseho tao amin’io fokontany io. Tra-tehaky ny fokonolona teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ilay olon-dratsy. Ity farany izay nitsoaka raha vao nahita ireo fokonolona romotry ny hatezerana nanenjika azy. Rafitra teo ny fifanenjehana, ary tsy ela, araka ny voalaza dia voasambotra ity voalaza fa mpangalatra ity. Tsy nisy alaharo alaharo fa avy hatrany dia raikitra ny daroka sy ny vono isan-karazany. Tao anatin’izany moa efa nisy nampandre ny pôlisy, izay tonga tany an-toerana, niezaka nandamina ireto olona. Ireto farany izay nanaiky ny fifandaminana ihany, rehefa nohazavaina tamin’izy ireo ny tsy maha-mety izany fitsaram-bahoaka izany. Nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy avy hatrany moa ity lehilahy ity, rehefa avy notsaboina noho ireo ratra nahazo azy. Raha ny fantatra dia mbola tratra teny amin-dranamana ireo entana maromaro avy nangalariny tamin’io fotoana io. Mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika izany raharaha izany an-toerana, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici