- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversItaosy : Zanaka polisy nanendaka, nodarohan’ny olona

Itaosy : Zanaka polisy nanendaka, nodarohan’ny olona

Mbola any amin’ny hopitaly hatramin’ny omaly. Tena voa mafy satria nanamparan’ny olona ny hatezerany ilay tovolahy. Ny maraim-ben’ ny alatsinainy teo izy sy ny namany roa no nanendaka olona nivoaka vao maraina, tokony ho tamin’ny efatra ora. Vita ny asa ratsy,  saingy nisy nahita kosa. Raikitra ny fanenjehana ka ny roa tafaporitsaka raha voasambotra kosa ilay tovolahy 19 taona. Teo dia efa raikitra ny daroka isan-karazany izay nitarika ny faharatrany. Nisy nampandre ny zandary ary nitatantara ny zava-misy. Ireo no tonga ary namonjy avy hatrany ilay lehilahy raha tsy izany dia matin’ny daroka teo an-toerana angamba. Nentina tao amin’ny hopitaly Itaosy izy ary rehefa vita ny fitsaboana voalohany, dia tsy maintsy naterina teny amin’ny Hjra indray, satria betsaka ny fahavoazana nihatra taminy. Rehefa nandeha ny fanadihadiana tsotsotra, dia nanomboka fantatra amin’izay ny momba ilay tovolahy. Nolazainy fa zanaky ny polisy iray izay monina sy miasa eto an-dRenivohitra izy. Nanome anarana izy ary rehefa nataon’ny mpanadihady ny fanamarinana dia nitombina tokoa. Ny olana amin’ity raharaha ity, dia ny tsy fisian’ny mpitory aloha hatramin’ny omaly. Ny antony mantsy dia nijanona  teo amin’ny fidarohana ihany ny olona dia afaka ny fony ary tsy nanaraka intsony ny momba ilay raharaha. Iaraha-mahalala koa ny fivezivezena ateraky ny fametrahana fitoriana, ary dia samy niala bala fotsiny raha vao tonga ny zandary naka ilay olona voasambotra tetsy Itaosy. Na izany aza anefa, amin’ny raharaha toy izao, dia azon’ny mpitandro ny filaminana atao hatrany ny mitondra ny raharaha eny anivon’ny fampanoavana ary ny mpitsara no mahita izay tokony hatao aminy, mahakasika ny fiarovana ny filaminam-bahoaka (ordre public). Izany hoe olona atahorana ve sa tsia ary tokony hampidirina am-ponja ve sa tsia?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici