Vehivavy roa nisandoka ho masera no nisoloky vola 45 tapitrisa ariary tamina pretra iray, niasa tany amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny. Noraisin’ny pôlisy ekônomika ny raharaha ary tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo, no nahafantarana fa efa olona migadra sy manefa sazy any Antanimora noho ny resaka fisolokiana ireo vehivavy roa ireo. Raha ny zava-nisy : « ny volana may 2016 dia nisy fitarainana voaray avy amin’ny pretra iray, fa misy vehivavy nitonona ho masera nisoloky azy. Ny iray nitonona ho masera Jeanette ary ny iray masera Juliette » hoy ny vaovao. Mahafantatra tsara an’ity pretra ity ireto vehivavy mitonona ho relijiozy ireto, izay raha ny fantatra, dia nipetraka teny amin’iny faritra Ivandry iny. Ary tamin’izany no nanararaotany rehefa noresen’izy ireo lahatra tamin’ny lainga tsara lahatra iry voalohany. Nilaza mantsy izy ireo fa « manana olana any amin’ny fitsarana sy ny polisy ary banky ka nitady vonjy tamin’ny mompera ka vola notadiaviny tamin’izany. Nilaza izy ireo fa misy fahabanganany vola tao amin’ny toeram-piasany noho ny maha-pitambola azy (Econome) ao amin’ny sekoly katolika ao Fianarantsoa. Koa dia nitady vonjy avy any amin’ny mopera izy handoavany ireo vola ireo ». Tamin’ny alalan’ny antso an-tariby avokoa moa ny resaka nifanaovan’izy ireo. Amin’ny maha olom-piangonana an’ilay pretra dia onena azy ireo ary nandefa vola tamin’ny alalan’ny finday. Taty aoriana rehefa nifanena tamin’ireo tena masera ity pretra ity dia nitaky ny volany. Nisalasala anefa ireo fa sady tsy nindram-bola no tsy manana olana n’aiza n’aiza izany. Niroso tamin’ny fametrahana fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ilay olom-piangonana voasoloky ary izao niafara fahatratrarana azy roa vavy izao.
m.L