- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvandry : Mpanendaka tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny

Ivandry : Mpanendaka tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny

Misy vokatra. Tato ho ato izay tokoa, dia samy nahamarika ny rehetra ny fisian’ireo andiana mpitandro filaminana manao lahara-manjohy misafo ireny elanelan-trano rehetra ireny. Mahatsiaro tena ho afak’ahiahy tokoa ireo mponina manoloana izany, ary tsapa fa ahitam-bokatra ilay paik’ady. Toy ity nitranga tetsy Ivandry ity mantsy, raha tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ny mpanendaka rain-dahiny iray.

Araka ny tatitry ny polisim-pirenena dia olona handeha hamonjy fodiana  no saika lasibatra tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany alina tany ho any. Namoaka sabatra avy hatrany ity olon-dratsy nisakana ilay olona ary nandrahona ny hampiasa tsy am-pisalasalana izany fivaotam-piadiana teny an-tanany izany raha tsy manaiky izay rehetra teneniny. Mazava ho nentin’ny tahotry ity farany ka saika hanome ireo zavatra sarobidy tany aminy. Tamin’izay fotoana izay anefa no nandalo mihitsy ireo pôlisy mpanao fisafoana avy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo tetsy Analamahitsy. Raha vao nahatazana ireto mpitandro filaminana ny anao dia rafitra nitsoaka, saingy tsy lasa lavitra akory. Raha ny fanazavana hatrany dia vao nivoaka ny fonja ny tamin’iny tapak’iny volana nivalona iny ity lehilahy ity, kanefa dia izao niverina tamin’ny asa ratsy fanaony izao ihany. Mbola resaka fanendahana ihany moa no nahavoarohirohy azy tamin’izay.

Fa amin’izay lafiny izay, tsapa tokoa fa mazàna ireo olona avy nifonja dia miverina ihany amin’ny asa ratsiny. Hilàna hevitra sy tetik’ady maty paika mihitsy araka izany ireny olona ireny, hamerenana azy indray eny anivon’ny fiarahamonina sy mba tsy hiverenany intsony amin’izay asa ratsy nampigadra azy izay. Fa tsy hoe « fialana sasatra sy fakàna traikefa » araka ny filazan’ny ankamaroan’izy ireo ny any am-pigadrana any.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici