- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversIvandry : Mpangalatra môtô efa-dahy tratra am-bodiomby

Ivandry : Mpangalatra môtô efa-dahy tratra am-bodiomby

Ny herinandro lasa teo, mpangalatra môtô efa-dahy, efa rain-dahiny amin’ity asa ratsiny ity, no tratra ny velam-pandriky ny pôlisy ka noraisim-potsiny teny Ivandry, amoron’i Masay, mbola teo am-panosehana môtô halatra. Manoloana ny firongatry ny fangalarana môtô « scooter » eny amin’iny faritra Ivandry, Soavimasoandro sy ny manodidina iny dia nisy ny hetsika nataon’ny pôlisin’ny boriborintany faha-valo mba hamongorona izany. Misy foana ny fisafoana na andro na alina, ka tamin’izany indrindra no nahatratrarana ireto efa-dahy ireto. Na eny ivelany mantsy na anaty trano dia lasibatra avokoa ireo môtô eny an-toerana. « Nafampana kosa ny vaky trano narahana alatra nandritra io fotoana io tamin’iny faritry ny commissariat 8eme arrondissement toy ny eny Soavimasoandro, Ivandry, Amboditsiry, Manjakaray, Tsarasaotra iny. Lasibatra amin’izany ny moto. Raha eo ivelan’ny trano ny moto ka misy idiny, tapahany amin’ny pince coupante. Raha ao antrano kosa, vakiany ny trano izay tapahany amin’ny alalan’ny pince coupante ny vavahady sy ny savilim-baravarana ary alainy ny moto sy izay zavatra hitany manodidina eo. Ny ora fanaovany ny asa ratsy dia amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 08 ora raha amin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 3 ora maraina ny alina » hoy ny vaovao. Ny faran’ny herinandro lasa teo moa ireto olon-dratsy ireto no natolotra ny Fampanoavana ary nadoboka any am-ponja avy hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici