- Publicité SW45 -
mercredi, mai 8, 2024
AccueilFaits-DiversIvandry : Roa lahy nanafika « cash point », lasa ny enina...

Ivandry : Roa lahy nanafika « cash point », lasa ny enina tapitrisa ariary

Tsy nahita, tsy nisy nandre ny zava-niseho raha tsy efa vita ny asa ratsin-dry zalahy. Eny fa na dia fotoana isan’ny mahabe olona mifamezivezy rahateo aza teny amin’iny faritra iny, fa indrindra nisy mpitandro filaminana nandamina fifamoivoizana tsy lavitra teo. Ny tompon’ny tsena niantso vonjy sy ny « camera de surveillance » ana olon-tsotra nahita ireo jiolahy nitsoaka sisa nahafantarana ny fanafihana nitranga.

Ny alatsinainy maraina lasa teo, lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana indray ireny toerana fakàna vola amin’ny finday na « cash point », hoy ny fiteny mahazatra. Zava-nitranga tetsy Ivandry, akaikin’ny sampanana mizotra mihazo an’Amboanjobe iny. Tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany maraina tany ho any no niseho io fanafihana io, raha ny angom-baovao azo. Nitondra basy poleta sy zava-maranitra ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ary nandrahoana avy hatrany ilay olona tao amin’ilay « cash point » hanome ny vola rehetra tao. Raha ny angom-baovao hatrany dia vola manodidina ny enina tapitrisa ariary tany ho any no lasan’ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Tsy nisy nahatsikaritra ny zava-nisy mihitsy ireo olona teny amin’ny manodidina tamin’io fotoana io. Tsy nisy rahaeto moa poa-basy ary tsy nisy torak’izany ihany koa ny naratra na ny namoy ny ainy. Ireo olon-dratsy efa nitondra ilay sakaosy nisy vola sy nanao tari-dositra nihazo elakelan-trano sisa no nanaitra ny rehetra. Araka ny sary hita tamin’ny « camera de surveillance » iray teny an-toerana, miparitaka anaty tambazotra sosialy dia roalahy izy ireo samy tsy misy nanao saro-tava.  Marihana fa eny am-pelan-tanan’ny pôlisy ity raharaha fanafihana « cash point » ity ary ry zareo eo anivon’ny Sampana miady amin’ny heloka bevava no misahana ny fanadihadiana. Heverina araka izany fa mba mety hanamora sy hanampy betsaka azy amin’ny fitadiavana ireo olon-dratsy ireo sary azon’ny « camera » ireo. Na dia hatreto aza aloha, ireo olon-dratsy azo sary amin’itony fitaovana itony dia saika tsy misy tratra sy mbola miriaria manohy ny asa ratsiny hatrany. Raha tsy hiteny afa-tsy ireo roa vavy voalaza fa nanafika ihany koa tetsy Behoririka ny herinandro lasa teo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici