- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversIvato Centre : 4x4 sy môtô nifandona, olona iray maty

Ivato Centre : 4×4 sy môtô nifandona, olona iray maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo amin’ny Pk 267+200 lalam-pirenena fahafito, ny alakamisy teo Ivato Centre, distrika Ambositra. Fiara 4×4 iray nifandona tamin’ny môtô, ka naratra ilay mpitondra môtô 71 taona. Maty izy io rehefa tonga tany amin’ny hopitaly. Voalaza fa tao anaty fiholanana no nisehoan’ny fifandonana mafy dia mafy ary izao nitarika ny fahafatesan’ilay rangahibe izao. Notanana avy hatrany ny mpamily ilay fiara 4×4, izay saika hihazo an’Ilakaka. Amin’ny tranga toy izao, tsy maintsy voatazona ny mpamily satria nisy fatiolona. Miafara amin’ny raharaham-pihavanana ny tranga moa rehefa tsy mitory ny fianakavian’ny maty. Manokatra fanadihadiana ny mpitandro filaminana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici