Notaterina tamintsika teto omaly ny mahakasika an’ilay fakàna an-keriny karàna roa lahy izay avy nisakafo hariva tamin’ny toeram-pisakafoanana iray teny Antanetibe Ivato. Raha nanadihady ny mahakasika an’izay ny mpanao gazetinay, teny amin’ny biraon’ny zandarmaria Talatamaty, dia nilaza izy ireo fa mbola tena eo am-panaovana ny fanadihadiana rehetra ilaina hoentina mikaroka ireo olon-dratsy ireo. Fantatra kosa anefa fa tompon’ny “grossiste” lehibe iray mpamongady fanafody ny iray amin’ireo karàna roa lahy ireo. Ilay fiara “express” nentin’ireo olon-dratsy dia mbola tazomina ao amin’ny tobin’ny zandary Talatamaty entina hanaovana ny fanadihadiana. Mbola tsy nisy nipika kosa ny tohin’ny zava-misy. Tsy fantatra kosa hatreto ny tena antony nanaovan’ireo olon-dratsy izao fihetsika izao. Andrasana araka izany ny ho tohin’ny toe-draharaha.
Niony H.