- Publicité SW45 -
lundi, mai 13, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Karohin’ny BC i Jiang Shao Wei, voarohiroy ho namono ireo...

Ivato : Karohin’ny BC i Jiang Shao Wei, voarohiroy ho namono ireo sinoa mivady

Nivoaka omaly ny filazana fikarohana an’i Jiang Shao Wei, izy no voarohirohy voalohany ho namono ireo sinoa mivady tao amin’ny efitranony tao amin’ny hotely Paon d’or etsy Ivato, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo. Ny pôlisy eo anivon’ny BC no miandraikitra ny fanadihadiana saingy afaka mampandre ny mpitandro ny filaminana izay akaiky azy izay manam-baovao. Novelesina tamin’ny zava-maranitra sy maritoa ireo mpivady, tao amin’ny efitrano fidiovana. Mbola hita tao amin’ilay efitra nisy azy ireo ny fitaovana nampiasaina tamin’ny famonoana. Ny anton’ny nahafantarana indray ny fisian’ny vonoan’olona dia noho ny fampandrenesan’ny olona akaiky ireo sinoa fa tsy hita izy mivady, niaraka tamin’ny fiara 4X4 izay nentiny. Teo no niainga ny fanadihadian’ny BC. Nahenoana feo fa ao amin’ny hotely etsy Ivato no mipetraka izy roa. Rehefa nohamarinina dia nitombina izany ary fantatra teo fa tamin’ny anaran’i Jiang Shao Wei ny anaran’ny efitrano. Io farany izany no nandoa ny saran’ny hotely. Rehefa nozahaina ny efitrano voatoandro dia fatin’olona roa mifatotra ary mihoson-drà no hita tao. Nozohina ihany fanadihadiana ary fantatra fa nitsoaka teny Amboanjobe sy niafina tany ilay sinoa ahiana ho nahavanon-doza. Hita teny an-toerana ilay fiara saingy izy kosa mbola tsy hita izay nanjavonany hatramin’ny omaly, raha araka ny vaovao azo tamin’ny pôlisy. Raha araka ny fantatra dia efa nisy olona notazonina hatao fanadihadiana momba ity raharaha ity. Miisa efatra izy ireo ary misy teratany sinoa ihany koa ao anatiny. Ny anton’ny famonoana indray dia mbola manjavozavo hatreto. Niainga tamin’ny fakàna an-keriny ireo sinoa izany raha araka ny vaovao novoizin’ny haino aman-jery ary izao niafara tamin’ny famonoana izao. Raha alaina an-keriny ve anefa dia ao amin’ny hotely lehibe etsy Ivato no notazomina ?

D.R  

Vaovao farany

Araka ny vaovao azo farany avy amin’ny mpitandro filaminana dia voasambotra tany Andranofasika-Ambondromamy omaly alina ilay sinoa. Notazomin’ny zandary ao an-toerana izy ary hampiakarina tsy ho ela aty an-drenivohitra araka ny fanazavana azo.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici