- Publicité SW45 -
lundi, février 10, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Nifamono ho faty ny mpinamana fa mamo

Ivato : Nifamono ho faty ny mpinamana fa mamo

Olona enin-dahy no niaraka nisotrosotro teo an-tokon-tanin’ny iray tamin’ireo ihany, tetsy Ankadindravola. Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tamin’ireo rehefa niakatra ny toaka. Notifirina totohondry teo amin’ny lohany ny iray ary nianjera tamin’ny tany. Teo dia tsy nahatsiaro tena satria nifameno ny hamamoana sy ny fahavoazana izay mety ho nahazo teboka mahafaty. Samy nahita izany avokoa ny efa-dahy ambiny ary nisava ny toaka rehefa tsy nihetsika intsony ny namana iray. Nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana izay akaiky. Tsy vita anefa ny fanavotan’aina fa tsy maintsy notaterina haingana teny amin’ny hopitaly Anosiala. Natao ny ala nenina rehetra fa tsy tafaverina intsony ny ain’ilay rangahy. Naterin’ireo namany teny amin’ny vadiny ary nolazaina fa nianjera. Vita anefa ny fandevenana dia nametraka fitoriana ny fianakavian’ny maty. Ny fanadihadiana voalohany dia nanome taratra fa nisy totohondry niantefa tamin’ny vatan’ilay rangahy ka nitarika ny fahafatesany. Teo dia nosamborina ilay tompon’antoka tamin’ny fikasihan-tànana. Nanokafana fanadihadiana koa ireo dimy lahy ambiny noho ny mety ho fijoroana vavolombelona diso. Mbola mitohy ny fanadihadiana ity raharaha ity etsy anivon’ny zanatobim-paritry ny zandary etsy Ankadindravola.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici