- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversIvato Nifampitifitra ny jiolahy sy ny zandary

Ivato Nifampitifitra ny jiolahy sy ny zandary

Nitrangana fanafihan-jiolahy teny Ivato ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Niantso vonjy ny tompon-trano. Tonga ny zandary, raikitra ny fifandonana. Ireto olon-dratsy araka ny vaovao azo no nitifitra voalohany no sady nanao tari-dositra nitsoaka. Namaly tifitra ihany ireo mpitandro filaminana. Na izany aza anefa, tafaporitsaka ihany ireo olon-dratsy nafenin’ny haizin’ny alina, saingy nisy tamin’ireo entana nalain’izy ireo no votsotra teny am-pelan-tanany.

Nirefodrefotra tokoa ny basy tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any, araka ny fampitam-baovao hatrany. Efa-dahy ireo olon-dratsy no tonga tao amin’io tokantrano iray tao Ilaivola io, izay nitondra basy poleta iray niaraka tamin’ny sabatra roa. Manana mpiambina ity tanana voatafika ity, saingy hain’ireo olon-dratsy tsara no niditra an-tsokosoko tao amin’ilay toerana. Fantatra mantsy fa rehefa avy nihanika tamboho ireo olon-dratsy dia ireo mpimbina roalahy avy hatrany no nofeheziny. Nojaikon’izy ireo moramora avy aoriana ireo mpiambina ary nodarohana. Rehefa tsy afa-nihetsika dia nofatoran’ireo olon-dratsy. Marihana hoy ny vaovao fa mitokana ny trano nisy ireto mpiambina ireto ka mora tamin’ireo jiolahy no nifehy azy. Taorian’izay no nanao amboletra niditra tao an-trano izy ireo. Mora tamin’ireto andian-jiolahy ireto ihany koa ny nandrahona ireo tompon-trano sy nibata ireo entana rehetra sarobidy tao. Nanana basim-borona ny tompon-trano ka isan’ny nalain’ireo olon-dratsy izany fiarovan-tena izany, niaraka tamina taratasim-bola. Ny tsy tsikaritr’ireo jiolahy anefa dia nisy iray tamin’ireo tao an-trano, zanaky ny tompon-trano, niafina ary ity farany no niantso tamin’ireo zandary tany an-toerana. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo zandary avy ao amin’ny PA Ankadindravola, ka nifanojo teo ireto farany sy ireo mpanafika izay nisian’ilay fifandonana. Tamin’ny fitsoahan’ireo olon-dratsy dia navelan’izy ireo ilay basim-borona sy ilay taratasim-bola. Mbola lasan’izy ireo kosa ny solosaina fentin-tanana roa niaraka tamin’ny finday efatra. Natao avy hatrany moa ny savahao teny amin’ny manodidina ary mbola mitohy hatramin’izao ny fikarohana ireto andian-jiolahy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici