Vehivavy lehibe iray, manodidina ny 70 taona teo ho eo, no hita faty, nitsingevana tao anaty dobo filomanosana tao amin’ny tanàna iray, teny amin’iny faritry ny fokontany Ankadindravola, kaominina Ivato iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisy namono sa maty an-drano ? Raha ny zava-nitranga, dia olona mipetraka tsy lavitra teo amin’io “villa” nahitana azy io, ity vehivavy ity. Tamin’io fotoana io, dia tsy tao amin’ilay tanàna ny tompony, fa any andafy. Mpiambina iray sy ny fianakaviany no mipetraka sy miambina ilay “villa”. Nisy zavatra tsy maintsy nalehany ihany koa anefa ireto farany ka “niangavy an’io ramatoa io, izay olona mpifankahazo amin’izy ireo sady mpiara-monina aminy, mba hiandry ny zanany 9 taona hatory ao ny 01 febroary alina ka hatramin’ny ampitso” hoy ny vaovao. Zava-doza anefa no niseho rehefa niverina izy ireo, satria dia vatana ny mangatsiakan’ilay ramatoa no efa nitsingevana tao anaty “piscine”. Nampandrenesina avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana ary tonga nijery sy nanadihady ny zava-nisy, niaraka tamin’ny mpitsabo. “Tsy nahitana zavatra mampiahiahy ny vatany, fa sempotry ny rano no anton’ny nahafaty azy raha ny fijerin’ny dokotera”. Tamin’izany no nahafantarana, araka ny fampitam-baovao azo hatrany, fa efa manana aretina mitaiza ity ramatoa ity. Ka vinavinaina ho “saika hanasa gony maromaro tamin’ny rano tao anatin’io « piscine » io no antony nahalatsaka azy tao” raha ny fanadihadiana.
m.L