- Publicité SW45 -
mercredi, novembre 13, 2024
AccueilFaits-DiversIvato : Roa lahy mpanondrana olona, tra-tehaka sy nadoboka am-ponja

Ivato : Roa lahy mpanondrana olona, tra-tehaka sy nadoboka am-ponja

« Rehefa tsy misy ny tolotr’asa mazava, tsy misy ny fifanarahana araka asa mazava sy nadalo ny tompon’andraikitra eto Madagasikara dia tratran’ny fanararaotana foana ireo olona mikasa hiasa any ivelany, ary efa fantatra ny jaly mahazo azy ireo any. Izany indrindra no iarovana azy ireo, » hoy ny avy eo anivon’ny pôlisy.

Lehilahy roa azo sokajiana ho mpanondrana olona ho any am-pitandranomasina indray mantsy no tra-tehaky ny pôlisy tetsy Ivato. Voapaingotra teo am-pandefasana vehivavy handeha hiasa any amin’ny tany Arabo. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisim-pirenena dia nisy vehivavy niisa dimy niaraka tamin’izy ireo tamin’io fotoana io. 23 taona ny zandriny ary 31 taona ny zokiny. Rehefa natao ny fisavana azy ireo dia hita fa tsy nisy « billet retour » tany amin’ireto vehivavy ireto. Vao mainka ihany koa moa nampiahiahy ireo mpitandro filaminana ireto ny toerana halehan’izy ireo : « nikasa handray ny sidina ho any Dubai ». Nosakanana avy hatrany tsy navela handeha moa ireto farany ary nentina natao famotorana ihany koa ireo roa lahy niaraka tamin’izy ireo.  « Fantatra tamin’ny izany fa ao Dubai izy ireo no misy mitsena, ka avy ao no halefa any Oman, Koweit na Arabie Saoudite, arakaraka ny mpampiasa », araka ny vaovao nomen’ny pôlisy hatrany.

Marihina fa ankoatra ireto vehivavy miisa dimy ireto dia efa nisy am-polony maro no niara-niasa tamin’ireto roa lahy ireto. Teo amin’ny roapolo isa teo izy ireo, avy any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy, ary nampiantranoina teto Antananarivo, mandra-piandry ny fotoana hiondranan’izy ireo. Vola mitentina eo amin’ny dimy tapitrisa ariary isanisany no nalain’ireto mpanondrana olona ireto tamin’ireo vehivavy ireo. Tsy mijanona hatreo ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, hoy ny eo anivon’ireo mpanao famotorana, fa mbola mitohy, handravana tanteraka ity tambajotra ratsy, miha-mahazo vahana eto amintsika ity tato ho ato. Izy roa lahy voasambotra ireto kosa, efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja vonjimaika.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici