- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : Sady mivarotra basy no manafika

Ivato : Sady mivarotra basy no manafika

Amidin’izy ireo 4.500.000 ariary ny basy poleta. Tamin’ity indray mitoraka ity dia marika SKS TP 90 niaraka tamin’ny bala dimy no sarona teny amin’izy ireo ary teny amin’ny manodidina an’Ivato no fanaovana ny bizina.  “Lehilahy telo no voasambotry ny polisim-pirenena ny 04 sy 06 septambra 2023 lasa teo noho ny resaka fivarotana fitaovam-piadiana mahery vaika. Ny herinandro lasa teo no tsikaritry ny polisy miasa eo anivon’ny ‘service central de la surveillance du territoire’, na ‘ST’ Anosy fa misy olona manana sy mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy eny amin’iny faritr’Ivato iny. Natao ny vela-pandrika sy ny fanaraha-maso. Napetraka ny tetik‘ady. Naseho azy ilay vola hividianana ny basy ka noraisim-potsiny sy sarona tao amin’ny trano fonenany ny lehilahy iray 54 taona niaraka tamin‘ny basy SKS TP 90 sy bala dimy. Fantatra fa amidy 4.500.000 ariary ilay basy, raha araka ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena. Notohizan’izy ireo fa nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana ny namany roa hafa mpiara-mamarotra aminy ity fitaovam-piadiana ity. Vosambotra teny Tongarivo Tanjombato sy Anosimasina Itaosy ireto farany ny 06 septambra lasa teo. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia fantatra fa isan’ireo mpandray anjara sy mpanao fanafihana mitam-piadiana ary tafiditra ao anatin’ny fikambanan-jiolahy miseho eto an-drenivohitra sy ny manodidina izy ireo. Efa mpamerin-keloka, efa nisazy ary nivoaka ny fonja vao haingana noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana, raha araka ny fanampim-panazavan’ny polisy hatrany. Koa satria heloka bevava ny fivarotana basy sy fampiasana an’izany ho amin’ny fanafihana. Mazava ho azy fa tsy nisy taratasy avokoa ny basy resahina eto. Natolotra ny sampana miadidy ny raharaha momba ny heloka bevava etsy Anosy ireo telo lahy ary nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora rehefa natolotra ny fampanoavana etsy Anosy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
355,680FansAimer
2,515AbonnésSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici