- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvato : TEFIMAFI, fanomezana ho an’ny mpikambana

Ivato : TEFIMAFI, fanomezana ho an’ny mpikambana

Ny faha-25 septamba teo no nankalazan’ny Terak’i Fianarantsoa Miaradia amin’ny Filoha ho Fifampitsimbinana ( TEFIMAFI) ny tsingerintaoana voalohany nisian’ny fikambanana nitsanganan’ity mpanao asa soa ity. Ireo mpikambana rehetra monina eny Ivato « aéroport » no ao anatin’izany mpanao asa soa izany. Tamin’io lanonana io no nanomezan’ny Filoha mivady vary gony 2, labozia, sira, menaka, cahier stylo sns, ka namidy morabe, hitsinjovana ny mpikambana. Lanona tsotra tokoa izy ity ka voamarika tamin’izany koa ny fanomezana « certificat » ho an’ireo afaka fanadinana ara-panjakanaka ny  zanaky ny mpikambana. Tao koa ny fanolorana fanomezana ireo kilonga roa zanak’i Fianarantsoa manao fifaninana » kopi kole ». Nofaranana tamin’ny fizarana mofo mamy, ary mari- pahatsiarovana ho an’ireo  ekipan’ny « kopi kole tv plus », satria dia nitsidika nanome voninahitra ny lanonana koa izy ireo.  Ny fikambanana dia tsy manao politika fa misahana ny sosialy fotsiny ihany, mijery ny fifampitsimbinana sy ny fanandratana ny soatoavina maha Betsileo, indrindra ny fijerene ny maha olona ho an’ny mpikambana.  Ny filoha dia manentana hatrany ny zanaky ny Faritra monina sy mipetraka manodidina an’ Ivato hanamafy isa ny mpikambana.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici