- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Zandary maty nodarohana miaramila

Ivato : Zandary maty nodarohana miaramila

Omaly no namoy ny ainy tao amin’ny hôpitaly miaramila Soavinandriana ny zandary iray, izay fantatra fa niharan’ny vono avy tamin’ny rahalahiny am-piadiana, miaramila iray tetsy amin’ny toby iray tetsy Ivato. Ny alin’ny zoma lasa teo no nisy fifamaliana teo amin’izy roalahy ireto, araka ny angom-baovao azo. Izy ireo izay samy mpiandry raharaha tao amin’io toby miaramila io. Tsy vitan’ny resaka fifamaliana ara-bava intsony anefa ny zava-nisy fa niafara tamin’ny fikasihan-tanana mihitsy. Nodarodarohan’ilay miaramila tamin’ny « baton » ity zandary ary voa teo amin’ny faritry ny lohany. Daroka isan-karazany mihitsy izay niteraka ratra mafy tamin’ny karan-dohany. Nandriaka ny rà ary tsy nahatsiaro tena intsony ilay zandary, izay voatery nentina nihazo avy hatrany ny hôpitaly. Taorian’ny fitsaboana isan-kazarany moa dia izao tsy tana izao intsony ny ainy.

Nandray andraikitra mahakasika ity tranga ity ireto tompon’andraikitra isan-tokony sy ny lehiben’ity miaramila nahavanon-doza ity. Efa nosokafana ihany koa ny fanadihadiana mahakasika izany eo anivon’ny fitaleavana miadidy ny fikarohana heloka (DPJ) eo anivon’ny zandary.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici