Hatairana ny an’ireo mponina teny amin’iny faritra Ivato iny, ny sabotsy maraina lasa teo. Samy naheno fipoahan-javatra mafy dia mafy mantsy ny rehetra, indrindra fa ny tao amin’ny faritra K2. Fipoahana izay re nanakoako tamin’ireo faritra manodidina. Samy nihevitra avokoa ny rehetra fa olon-dratsy manafika indray. Raha ny fanazavana azo, dia fipoahana grenady izy io. Saingy grenady nipoaka sa napoaka tamin’ny inona ? Ny angom-baovao hatrany no nahafantarana, fa toa hoe niainga avy tamina tranona mpitandro filaminana iray, izay nisy lanonana famoran-jaza ilay fipoahana. Ary zavatra niniana natao satria napoaka izany ho fanehoana ny hafaliana tamin’ny fahavitan’izany famoran-jaza izany. Tranga izay mahagaga ihany hatreto, ary mampametra-panontaniana ny maro ny amin’ny hoe angaha moa azo apoapoaka fahatany amin’izany fotoana tiana hanaovana izany ireny fitaovam-piadiana ireny. Na izany na tsy izany anefa, dia fantatra fa efa eny am-pelan-tanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Fa eo anatrehan’ny fanjakan’ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana izao tokoa mantsy, dia tsy mahagaga raha mampisahotaka ny mponina avokoa rehefa feon-javatra tsy dia fandre mahazatra. Midika mantsy izany amin’izy ireo fa mety ho olon-dratsy manafika, na ho mpitandro filaminana manenjika jiolahy. Indrindra moa fa amin’ny fotoana tsy tokony hisian’izany : amin’ny alina na vao maraim-be. Toy ilay zavatra nipoaka tetsy Antohomadinika, vao tsy ela akory izay, ary nampivarahontsana ireo mponina. Tamin’io fotoana io, dia fantatra fa ireny « pistolet lance-fusée » ireny indray, na ilay basy fandefasana balafomanga toy ireny fahita eny ambony sambo ireny no napoakan’olon-tsy fantatra.
m.L