- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJean Nirina : Mbola tazomina ao Fiadanana

Jean Nirina : Mbola tazomina ao Fiadanana

Voatazona koa.

Tonga tokoa izy taorian’ny fampiantsoana azy mba nohadihadiana momba ny raharaha mahakasika ny tenany. Nanomboka ny zoma teo koa anefa no nitazomana an’i Jean Nirina Rafanomezantsoa eo anivon’ny zandary misahana ny raharaha heloka bevava. Hatreto dia tsy mbola nisy nipika ny anton’ny famotorana sy fitazomana. Tsy nitovy tamin’ny raharaha Paul Rabary sy Yves Maurice Rakotoniaina izay nivoaka tamin’ny fahanginana ny fampanoavana ary nanome fanazavàna ara-pitsaràna. Na izany aza, ho an’ny mpanara-baovao, raha nihoatra ny roa andro sahady ny nitazomana azy, izany hoe raha tsy atolotra ny fampanoavana anio, dia azo eritreretina fa mahakasika fanohintohinana filaminana anatiny koa no mety mahakasika azy. Roa andro ihany mantsy ny fe-potoana ahafahana manadihady raha raharaha tsotra, saingy afaka mangataka fanalavam-potoana hatrany kosa ny mpanao fanadihadiana raha toa ka raharaha mahakasika ny fiandrianam-pirenena no iompanan’izy ireo. Filoha mpanorina ny fikambanana Hafari tamin’izany fotoana i Jean Nirina ary isan’ny nahafantarana azy izany sy nahatonga azy akaiky ny fitondràna volomboasary. Izy rahateo koa dia niaro hatramin’ny farany izany. Lasa sefom-pokontany tao Anosizato Atsinanana izy rehefa nandeha ny fotoana ary nialohavan’izany dia niompana tamin’ny famarotana ireny fanafody nentim-paharazana entina hitsaboana ireny. Isan’ireo sefom-pokontany 32 nosoloina izy farany teo ary herinandro taorian’izany no tonga ity fampiantsoana azy eny Fiadanana ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici