- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJean Nirina Rafanomezantsoa : Tokony hipetraka ho « kapitenin-tsabo » ao an-tokantrano ny raim-pianakaviana

Jean Nirina Rafanomezantsoa : Tokony hipetraka ho « kapitenin-tsabo » ao an-tokantrano ny raim-pianakaviana

Manoloana ny fankalazana ny fetin’ny ray izay notanterahina ny alahady lasa teo dia nanome ny heviny mahakasika ny toeran’ny ray eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena ny mpandalina fiarahamonina malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Aminy dia toy ny « kapitenin-tsambo » izany ray izany eo anivon’ny tokantrano. Izy no tompon’andraikitra voalohany eo anivon’izany tokantrano izany amin’ny ankapobeany, na eo ary hoy izy ny fitovian’ny adidy eo amin’ny lahy sy ny vavy amin’ny fikarakarana tokantrano ankehitriny. Notsindriany manokana ny hamafin’izany adidy izany amin’izao vanim-potoana misy antsika izao noho ny fiainana izay mihasarotra ka miteraka faharefoana ho an’ireo tokantrano malagasy. Tranga mampalahelo dia misy ny ray no milavo lefona ankehitriny manoloana izany. Misy ireo mitsoaka adidy, ireo mivari-lavo na koa lasa adala mihitsy aza vokatry ny adi-tsaina. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo mitraka ary manohy mitady ny mahasoa ny ankohonany hatramin’ny farany, hoy izy. Eo amin’ny fitaizana ny zanaka hoy hatrany ity mpandinika ity dia hita fa noho ny fandrosoan’ny haitao dia lasa any anatin’ireo tambazotra sy fitaovam-pifandraisana samihafa no tena ahazoan’ny ankizy ny fanabeazana noho ny fahasahiranan’ireo raim-pianakaviana amin’ny fitadiavana. Lasa ireo any ivelany no manabe ny ankizy noho izany. Maro anefa ireo fanabeazana diso hoentin’izy ireny ka lasa manaotao foana ireo ankizy ka miteraka fahasahiranana hoan’ireo ray izany. Tokony ho adidin’ireo raim-pianakaviana anefa izany fanabeazana izany. Aminy dia ny zanaka no anisan’ny tohana ho an’ny ray manoloana ireo adidy ireo. Ary ny fetin’ny ray manokana dia andro ahafahan’ny zanaka maneho izany fanohanana izany amin’ny fitondrana valim-babena ho azy ireo. Tsapa anefa ankehitriny, raha ny nambarany hatrany fa sahirana koa ireo zanaka ka tsy ahafahany manao izany. Amin’izao fankalazana ny fetin’ny ray izao, ary amin’ny andavanandro rehetra mihitsy aza, dia nanafatra ny ray rehetra i Jean Nirina Rafanomezantsoa mba tsy hanadino ny maha « kapitenin-tsambo » azy ireo eo anivon’ny ankohonany. Anjaran’izy ireo hatrany ny manabe ny taranany ary tokony horaisiny mandrakariva ny adidiny sy andraikiny eo anivon’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina ary ny firenena na dia misy aza ny olana samihafa.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici