- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJeneraly Rakotomaronirina Alfred : Miandrandra ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara

Jeneraly Rakotomaronirina Alfred : Miandrandra ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara

Na efa maro ary ny zava-tsoa noentin’ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred ho an’ny vahoakan’i Kandreho, dia mahatsapa ny lehilahy fa mbola betsaka ny tokony hatao mba hampandroso ity distrika ity. Ny hitondra ny anjara birikiny be be kokoa amin’izany fampandrosoana ny tanindrazany izany araka izany no nahatonga ity manamboninahitrin’ny tafika misotro ronono ity hilatsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny distrikan’i Kandreho. Ary efa vonona ny hiatrika ny fifidianana izay hotanterahina ny 29 may ho avy izao ity kandidà mahaleotena ity. Ny Jeneraly Rakotomaronirina Alfred dia zanak’i Kandreho, ary izy dia olona mino sy mahatoky an’Andriamanitra, ka ny fiarahana amin’Andriamanitra no vato fehizoro hiorenany hoentina manatanteraka ireo asa kasainy. Ny fahantrana dia avy amin’ny asan’ny fanahy ratsy, hoy izy, ka ilaina ny miaraka amin’Andriamanitra raha tiana ny handresy azy ka ahafahana miroso amin’ny fandrosoana mipaika amin’ny vahoaka. Izany indrindra no antony hiandrandrany sy hitakiany ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara. Mangataka ireo tomponandraikitra isa-tsokajiny izy araka izany mba hampanjaka ny fahamarinana, ary tsy hiandany amin’iza na amin’iza. « Aoka mba ho fifaninanana masina ity fifidianana ity », hoy hatrany ity kandidà, « ka izay tena safidin’ny vahoaka no ho lany ». Izany tokoa mantsy no antoka mba hisian’ny filaminana mialoha sy aorian’ny fifidianana. Nanamafy ihany koa izy fa na inona na inona vokatry ny fifidianana, dia ilaina foana ny fampivondronana ny hery, satria tsy misy fandrosoana azo antenaina raha ao anatin’ny fifampirafesana. Marihina moa fa ny fandriampahalemana no tena laharam-pahamehan’ny kandidà Jeneraly Rakotomaronirina Alfred. Eo ihany koa ny fanabeazana ara-panahy ny vahoaka, mba hisian’ny finoana sy fahatahorana an’Andriamanitra. Nohamafisiny ihany koa fa hoan’ireo vahoaka ireo hatrany no anton’ny firotsahany, fa tsy fitadiavana tombontsoa manokana akory.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici