Manoloana ny resabe manodidina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Rosia i Madagasikara ao anatin’izao teo-draharaha mitranga any Ukraine amin’izao fotoana izao dia nitondra fanazavana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotonirina Richard omaly. Nambarany fa efa 50 taona no niarahan’ny firenena Malagasy niasa tamin’ny Rosia ary ny fitaovana nampiasainy miaramila hatramin’izay dia fitaovana avy amin’io firenena io avokoa ny akabetsahany anisan’izany ny « Kalachnikov, Blindé, lance roquette » sy maro hafa ka noho izany indrindra no anton’ny fifanarahana. Mikasika manokana ny fitsidihana nataony tany Rosia vao tsy ela akory izay dia nambarany fa mbola tsy nipoaka io ady io no nandeha tany ny tenany. Fanohizana fiaraha-miasa izay efa natomboka tamin’ny taona 2018 no anton-diany tany Rosia. Fifanarahana izay efa nataon’ny Minisitra izay nodimbiasana toerana. Satria avy any Rosia ireo fitaovana tena ampiasain’ny foloalindahy Malagasy, tsy maintsy any ihany no vidiana ireo kojakoja rehetra amin ‘izany raha misy fahasimbany. Ny kalachnikov no fanaovan’ny miaramila malagasy fanazara-tena hatramin’izay ka izany no antony nisian’ny fifanarahana izay notsindriny manokana fa toy ny fiarahamiasa ara-tafika atao miaraka amin’ireo firenena maro hafa. Manaporofo izany ny nandraisany ny masoivohon’ny firenena indiana miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa Abhay Khumar sy ny Tompon’andraikitry ny fiarovana eo anivon’ny masoivohon’i Sina, ny Kolonely WUNG TAO teny amin’ny toeram-piasany ao Ampahibe, omaly 7 aprily 2022. Nandritra izany no nanaovana jeri-todika ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena ireo sy ny hanohizana izany hiroborobo kokoa hatrany. Anisan’izany, raha ho an’ny firenena Indiana manokana, ny mahakasika ny fampianarana sy ny fiarovana ny fari-dranomasina noho ny roa tonto samy voadidin’ny ranomasimbe Indiana. Eo amin’ny firenena Sinoa indray kosa dia noresahana ny mahakasika ny fampianarana satria dia maro ny filana ara-tafika ao anatin’izao fanavaozan-drafitra ny Tafika Malagasy izao ary ny tanjona amin’izany ny hampiakarana ny lentan’ireo manamboninahitra ambony amin’ny alalan’ny “enseignement militaire du second degré”. Teo ihany koa ny ahafahana mandefa miaramila miofana any Sina rehefa tapitra ny valanaretiny covid19 satria dia mbola sarotra ny fidirana any an-toerana amin’izao fotoana izao noho ny fihanakan’ity valan’aretina ity.
T.M.




