Nitrangan’ny savorovoro omaly teny amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano, nandritra ny fifidianana izay ho filankevi-pitantanana ity antokom-pivavahana ity. Nandritra ny tapak’andro maraina no nanaovana ny fifidianana ka rehefa lany ny olona miisa 6 tamin’ny 11 nofidiana ka hanao ny filazana ny momba azy ireo amin’ny fomba ofisialy dia nisy andiana mpivavaka nanda izany avy hatrany. Nizara roa avy hatrany ireo mpivavaka efa an’arivony tonga tao an-toerana ka raikitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Nivoaka ny filazana ny amin’ny fisian’ny hala-bato sy ny kiantranoantrano tamin’izany. Niitatra tamin’ny siotsioka nanerana ny efitrano lehibe an’ity fiangonana Jesosy Mamonjy ity izany, tabataba sy toratoraka ary niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana izany. Tonga hatreny ivelan’ny fiangonana ny ady, ka voatery niantsoana mpitandro filaminana mihitsy. Tonga teny an-toerana ny polisy tamin’ny fiara 4X4 maromaro nandamina ireto mpivavaky ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano ireto. Sahirana ihany ny mpitandro filaminana nandamina azy ireo vao niverina tamin’ny laoniny ny filaminana. Nandrasana mandra-paharivan’ny andro teny an-toerana mihitsy moa ireo mpino marobe.
Niverina nanao fifidianana sy fandaminana indray ireo tompon’andrakitra tao an-toerana ny tapany hariva, izay mbola tao anaty tabataba sy siotsioka ihany izany. Araka ny fanazavana azo teny an-toerana, miisa 71 miaralahy no mpilatsaka hofidina ho amin’ny filakevi-pitantanana nasionaly. Ny 11 amin’ireo mpilatsaka ihany anefa no hofidina ho birao fa ny 5 manaraka miandry ny filakevi-pitantanana manaraka vao manendry azy, araka ny fitsipika mifehy izay misy eto amin’ny fiangonana Jesosy Mamonjy. Ireo isa marobe izay tsy nifaraka loatra tamin’ny filan’ny mpomba ny tsirairay no niteraka ady avy eo.
Ity fiangonana ity izay efa nahitana olana tahaka izao ihany tamin’ny fifidianana ny ho filakevi-pitantanana ny volana desambra 2017. Mitovy tsy misy valaka amin’izao ny zava-nitranga tamin’izany, teo anivon’ireo mpitantana sy ny mpikarakara fifidianana ihany koa. Niafara tamin’ny korontana ka nidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra ny raharaha. Nisy ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso mihitsy. Miverina indray ny tantara, ao anatin’izao toe-daharaha mafampana eto amin’ny firenena izao, izay maneho tranga tsy filaminana, raharaham-pifidianana, ady an-trano.
Yv Sam