
Mpanendaka raindahiny iray no nifanenjehana tetsy Andohatapenaka, ny andron’ny talata lasa teo, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva. Tsy lasa lavitra anefa dia voahodidin’ny pôlisy ka tsy afa-niala intsony. Mbola nahatratrarana antsy tany aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy, hoy ny vaovao nomen’ny pôlisy. « Tao anatin’ny fisafoana mahazatra nataon’ireo pôlisy teny amin’iny manodidina an’Andohatapenaka iny no nahatsikaritra ity lehilahy ity, ireo mpitandro filaminana . Iaraha-mahalala tokoa ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’iny faritra iny, izay efa nampiteny ny moana. Izay antony izay no nametrahana mpitandro filaminana, misy ireo manao fanamiana ary misy ireo manao fanamiana sivily, misafo tsy tapaka eny an-toerana. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mbola nanantena ny hanao lalan-dririnina ireo olon-dratsy ka niandry ny « hazany », teo amin’ny toeram-piantsonan’ny taxibe iray tetsy Andohatapenaka. Efa tsikaritr’ireo pôlisy anefa ny fihetsiny ka nanatona avy hatrany izy ireo. Vantany vao nahita ireto nanatona kosa ny anao lahy dia vaky nandositra. Nifanenjehana ary izy io tratra io ihany. « Araka ny angom-baovao azon’ny polisy dia efa matetika manao izao asa ratsy izao eny amin’ny manodidina ny 67ha ity farany sy ny namany hafa. Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy teny 67ha ity jiolahy ity mba ho hatao famotorana. Mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany ».
m.L