
Vao ny faramparan’ny volana janoary lasa teo no nitrangan’ny fanafihana nitam-piadiana teny Andravoahangy, izay nahalasibatra mpamongady iray, afak’omaly dia efa saika niverina indray ny zava-nitranga. Soa ihany fa efa niatrana ireo pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, nifanandrina tamin’ireo mpanafika. Maty voatifitra ny iray.
Ny marain’ny alatsinainy lasa teo no nahazo angom-baovao ny pôlisy mahakasika ny fisian’ny andian’olona mikasa hanafika mpamongady iray ao amin’ny tsenan’Andravoahangy. Telo lahy izy ireo, hoy ny vaovao, ary mirongo basy sy antsy. Marihina fa taorian’ilay fanafihana nandratrana olona, ny 27 janoary lasa teo, teny an-toerana dia efa nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo mpitandro filaminana nentina nanentanana ireo mponina, hiantso haingana azy ireo raha misy tranga mampiahiahy. Nandaitra tanteraka izany fanentanana izany ary tonga haingana teny an-toerana ireo mpitandro filaminana tamin’ity tranga afak’omaly ity. Soa ihany fa mbola teo am-pikasana hanafika fotsiny ihany izy telo lahy ireto no tonga ny pôlisy ary raikitra ny fifanenjehana. Niafara tamin’ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta izany. Tovolahy iray, 21 taona, isan’ireo andian’olona nikasa hanafika no voan’ny bala ary namoy ny ainy taorian’izay, araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Tafatsoaka kosa ireo roa lahy namany, hoy hatrany ny vaovao. Natao avy hatrany ny hazalambo, ny fisavana ary ny fiambenana ireo elakelan-trano marobe teny an-toerana saingy tsy hita tany nanjavonana ireto olon-dratsy.
Nentina nihazo avy hatrany ny tranom-patin’ny hôpitaly ny vatana mangatsiakan’ity tovolahy ity, miandry ireo havany. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo roa lahy tafatsoaka, araka ny fampitam-baovao azo hatrany.
m.L