- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJIRAMA : Misy mitady hanimba ny foto-drafitr’asa

JIRAMA : Misy mitady hanimba ny foto-drafitr’asa

Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny JIRAMA dia misy mikendry hanakorontana ny saim-bahoaka sy ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fikitihana na fanimbana ireo fitaovana stratejika na ireo tambajotra fitsinjarana herinaratr’ity orinasa ity. Mety hiteraka fahatapahan-jiro na loza tsy voafetra anefa izany. Manoloana izay dia miangavy ny rehetra ity orinasa ity mba ho mailo ka hampandre ny JIRAMA na ny mpitandro ny filaminana, na ny sefo fokotany akaiky azy indrindra raha vao mahita trangan-javatra mampiahiahy mahakasika ny fahasimban’ireo foto-drafitr’asan’ny JIRAMA, na koa fahatapahan-jiro manerana an’i Madagasikara. Milaza ity orinansa ity fa efa mandray ny andraikiny ka manentana ny sain’ireo tompon’andraikitry ny filaminana isan-tsokajiny mba handray ny fepetra sy hiara-hiasa akaiky amin’ny JIRAMA isorohana ny fanimban-javatra. Manambara ny JIRAMA fa ireo « équipes d’intervention » eo anivon’ny orinasa dia tsy maintsy arahana mpitandro ny filaminana rehefa mivoaka manao ny asany. Manentana ihany koa ny JIRAMA ny mba hisian’ny andri-maso ho fiarovana ireo foto-drafitr’asa rehetra izay efa eo andalam-panamboarana. Misokatra tsy ankiato ny birao sy ny masoivohon’ny orinasa rehetra eto Madagasikara ka azo atao ny miantso oreto laharana manaraka ireto : 3547 ho an’ny Telma, 0323203547 ho an’ny Orange, 033547 hoan’ny Airtel, na ny pejy Facebook ny JIRAMA officiel na ny mailaka jirama@jirama.mg.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici