- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversJirama Toamasina : Mitohy ny ezaka “opération” kaonteran-jiro sy tambajotrana herinaratra

Jirama Toamasina : Mitohy ny ezaka “opération” kaonteran-jiro sy tambajotrana herinaratra

“Mila manao ezaka kely ny mpanjifan’ny jirama Toamasina, fa isan’ny kaominina tena itrangan’ny halatra herinaratry ny jirama be indrindra manerana ny nosy ny eto Toamasina. Raha mitohy mantsy izany dia tsy haharaka ny vola ampiasain’ny jirama amin’ny fanatsarana ny asa sy ny tolotra omenay anareo mpanjifa. Izay no nambaran’ny tale jeneraly lefitry ny jirama teto Toamasina, raha nijery ireo asa efa vita sy ireo asa an-dalam-pametrahana ataon’ny talen’ny jirama Toamasina ny tenany. Raha eo amin’ny kaonteran-jiro dia milaza ho tsy manana olana amin’ny famatsiana izany ho an’ny mpangataka intsony ny jirama, satria ilay 30.000 teo aloha dia mbola misy ambiny noho ny isan’ny mpangataka tsy nisy afa-tsy 23.000 tamin’izay. Vao roa herinandro anefa dia efa nahatonga kaonteran-jiro 30.000 hafa koa ny jirama hamatsiana ireo mpanjifany mila izany, ary ny volana avrily 2019 dia hisy kaonteran-jiro hiisa 125.000 ho azon’ny jirama ihany koa. Raha ny eo amin’ny fanatsarana ny tambajotra sy ny herinaratra isan-tokantrano kosa dia efa misy “transformateurs” miisa 400 voarain’ny jirama izao, izay hoentina manamafy ny famatsiana herinaratra, sy hanamaivanana ireo tambajotra feno be loatra, izay mazana miteraka fahatapahana herinaratra. Isan’ny hahazo tombony amin’izany i Toamasina amin’ny fanomezana tombon-dahany azy noho ny fanitarana ny seranan-tsambo izay hiteraka asa maro sy fahatongavan’olona maro ihany koa hitady asa. Ankilan’izay dia ho tonga eto Toamasina amin’ity herinandro ity ihany koa ireo andrin-jiro hazo miisa 5.600 avy any Afrika Atsimo, tahaka ireo andrin-jiro fampiasan’ny orinasa Ambatovy. Mora kokoa ny fandaniana amin’izao fanafarana ny hazo izao, izay koa no natao mba hiarovana ny ala eto amintsika izay efa ripaka, nefa ireto andrin-jiro ireto koa dia hazo manokana izay maharitra 40 na 50 taona vao ho simba. Entina hanitarana ny tambajotrana herinaratry ny jirama izy ireto, ka hahazo ny anjarany amin’izay manomboka izao ireo tanana lavitry ny renivohitra sy ny manodidina ny tanan-dehibe. Ankoatra izay dia manana ezaka amin’ny fampitomboana ny tanjaky ny herinaratra vokariny koa ny jirama izao, isan’izany ny ao Volobe Ifito Toamasina II izay afaka hamokatra 120MW amin’ny fahavitany. Eo koa ny fampitambarana ny tambajotra mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina; fa ny tena goavana dia ny fampifandraisana an’i Toliara sy Toamasina amin’ny tambajotrana herinaratra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici