
Nadoboky ny fitsarana tamin’ny alalan’ny lehiben’ny fampanoavana Toamasina am-ponja vonjy maika, ilay tale ara-barotry ny Jirama sampana Toamasina taorian’ny fiakaran’ny fampanoavana ny zoma takariva teo. Misy ny porofo tamin’ilay resaka halatra tariby hoy ny fitsarana, ka noraisina izao fampidirana am-ponja vonjy maika izao, mba ahafahana mikaroka ny tena zava-nisy, sy sao mitsoaka ihany koa ny voarohirohy hoy ny fitsarana.
Araka ny fanazavan’ny zandary nanao ny fakana am-bavany ity mpiasan’ny jirama ity, dia tratra tao an-tranony izay efa nisitraka mafy ity tariby am-polony metatra ity, hakana ireo viraty (aluminium) ao anatiny tratra ity. Tsy afaka nanazava ny antom-piasian’izany tao an-tranony ilay tale ara-barotra araka ny nambaran’ny zandary, ka tsy maintsy nohazonina vokatra izany, na niezaka niaro azy aza ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny jirama. Ny tena olana koa araka ny fanazavan’ny zandary, dia ny filazany fa misy izany tarobia izany tao aminy talohan’ny fahazoana ilay « ordonnance de perquisition » nahafana nisava azy.
Nambaran’ny zandary nitondra ny raharaha teny amin’ny fitsarana hatrany fa miainga avy amin’ny mpiasan’ny jirama ny halatra tariby, satria afaka mihazona tariby tsara izy ireo fa afaka manamarina kosa ny antony fihazonana izany. Aorian’izay fihazonana izay dia misy mandoro ao Tanandava na Sarimasina ireo tariby, ka ny ambiny viraty (aluminium) aminy avy eo amidy amin’ireo mpanamboatra vilany any Ambatolampy mpividy izany hoy hatrany ny zandary nanao ny fanadiadiana. Hatreto aloha tsy fantatra ny hamarotana ny iray kilao na natao aza ny fanadiadiana rehetra. Nomarihan’ny jirama raha nanontaniana ny talen’ny Jirama sy ny mpisahana ny herinaratra eto Toamasina, dia tena mpiasa ao anivon’ny jirama Toamasina ilay rangahy voarohirohy, nefa nomarihany hatrany fa efa enina ny fitoriana nataon’ny jirama izay efa tafapetraka eny anivon’ireo mpitandro filaminana.
Nambaran’ny zandary hatrany dia tohin’ilay mpangalatra tariby saron’ny zandary farany teo niaraka tamina polisy nanao fanamina sivily tratra tao anaty fiara teny amin’ny lalam-pirenena faharoa ity raharaha ity. Hatreto aloha mbola ity tale ara-barotra ny jirama Toamasina ity ihany no voasambotra, fa mbola hitohy ny fanadiadiana afahana manaraka ireo mpiray tendro aminy amin’ilay halatra tariby izao.
Malala Didier



