- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-Divers« Jus » lany daty : Hiakatra fampanoavana amin’ny alatsinainy

« Jus » lany daty : Hiakatra fampanoavana amin’ny alatsinainy

Nampanantsoin’ny polisy ny roa tonta omaly, izany hoe ny mpitory ilay toeram-pisakafoanana Thailandais etsy Ankorahotra, ary koa ny solon-tenan’io toerana io. Nampifanatrehana tao ary tsy nety tonga tamin’ny raharaham-pihavanana ny resaka. Vokatr’izany dia hatolotra eny amin’ny fampanoavana ny alatsinainy ho avy izao ny dosie momba ity raharaha ity. Raha tsiahivina, dia nisy olona niditra hopitaly rehefa avy nisakafo tao amin’ilay toerana. Ny fisotroana ranom-boankazo lany daty no tena anton’izany ary voamarin’ny fanamarinan’ny mpitsabo izay nanome taratasy manaporofo izany rahateo. Handrasana ihany koa ny fidirana an-tsehatry ny minisiteran’ny fahasalamana amin’ny tranga toy itony satria mety mbola hihatra amin’ny mpanjifa hafa ny zava-nisy raha toa ka tsy misy ny fanaraha-maso. Ny polisin’ny boriborin-tany fahatelo kosa dia nanao ny asany tsy nitanila ary nampifanatrehany ny roa tonta omaly.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici