
Niainga tamin’ny vaovao avy amin’olon-tsotra mahafanta-javatra no niaingan’ny fisamborana. Izany dia mahakasika ny fisian’ny olona mitatitra basy kalachnikov amin’ny taxi-brousse mampitohy an’Analavory sy Tsiroanimandidy. Natao ny sakana teo amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohitsoa. « Natao ny fisavana ny entana tao ambonin’ny fiara ka nahitàna basy kalachnickov iray tao niaraka tamin’ny ‘boite à chargeur’ iray izay efa misy 29 isa » raha araka ny fampiram-baovaon’ny polisy. Nosokafana ny fanadihadiana ary rehefa natolotra ny fampanoavana dia nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tsiroanomandidy ilay lehilahy. Ahoana ny nahitàn’ity olona ity kalachnikov izay tsy misy afa-tsy ny mpitandro ny filaminana no afaka mitazona azy ? Ny tranga toa izao dia mbola manaporofo fa miparitaka ny fitaovam-piadiana eto amintsika. Loza mitatao izany satria raha olona mahay mampiasa basy, kalachnikov iray izany dia mety ho ampy handravàna tanàna iray izay onenan’ny olona amin’ny tanam-polo. Soa fa haingana ny fanadihadiana toa ity indray mitoraka ity ka tsy afaka nivezivezy lavitra ilay fitaovam-piadiana izay azo sokajiana ho mahery vaika satria ao anaty sokajy voalohany amin’ny karazam-basy.
D.R